Auteur/autrice : Adnews

Fifaninanana asa soratra: mpandresin’ny « Prix Orange du livre en Afrique » i Michèle Rakotoson

Nisongadina indray ny asa soratra tamina fifaninanana afrikanina. Malagasy mpanoratra sy trano mpamokatra Maorisianina no fototra nahazoana izao vokatra izao. Rakotoson Michèle, araka izany, no nandimby an’i Yamen Manai, izay mpandresin’ity fifaninanana ity, ny taona 2022. Azon’i Michèle Rako­toson, ny laharana voalohany, tamin’ny fifaninanana «Prix Orange du livre en Afrique», […]

Governora faritra Vakinankaratra : “Tahotra fifidianana ny fanaovana Tetezamita”

“Tahotra hiatrika fifidianana ny an’ny sasany. Mam­boly korontana etsy sy eroa, mampisavorovoro saim-ba­hoaka, mieritreritra hanao fitondrana Tetezamita hifampizarana seza… Avy eo, hanitatra izany Tetezamita izany ho teteza… miitatra.” Io ny fanahoan-kevitry ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Rakotovao Vyvato. ”Mampa­lahelo koa indraindray ny fihetsiky ny fiombonambe iraisam-pirenena sasantsasany: manome lesona, manery, manao […]

Antoko Fiombonana : “Mba tsy ho very maina ny ra latsaka”

Anisan’ireo nahatsiaro ny faha-51 taona ny tolon’ny mpianatra, ny mey 1972, ny antoko Fiombonana. Namba­ran’izy ireo fa manaja ny tantara nolalovan’ny firenena, mitaiza sy manabe taranaka izy ireo. Notsiahivin’ny Fiom­bonana, maro ny nifamahofaho teo amin’ny fiainam-pirenena. Vavolombelon’izany ireo raiamandreny, nitolona tamin’izany. “Tsy ho very maina ny herimpo sy ny ra […]

Atao izay lazaina, lazaina izay atao…

Tsy misy vola, hono, ny fitondram-panjakana. Banky rompitra? Manaiky hiditra amin’ny fitondrana Tetezamita, hono, ny fitondrana amin’izao, ka hoe ny iray amin’ireo filoha teo aloha no mahafeno fepetra hitantana izany. Inona na ahoana koa ity honohono ankifonofono ifamitahana sy isaritahana an-toerana? Tsy inona fa vaovao tsy marina, famendrofendroana, fanakorontanana… Mba […]

Filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery: “Tsy misisika hanao tetezamita ny antoko HVM”

Namelabelatra ny “Fisandratana 2030”, teny Andraharo, ny avy amin’ny HVM sy ireo tanora miara-dia, tamin’ny sabotsy. Nanambara ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny mpanorina ny antoko, Rajaonarimampianina Hery. “Tsy misisika hanao tetezamita izahay. Tsy tongatonga ho azy ny resaka. Lalan-kevitra hikaroham-bahaolana izany noho ny fahantrana sy ny ahiahy amin’ny fifidianana”, hoy […]