Maty teo am-pifampitolomana tamin’ny namany ny lehiben’ny fokontany iray, ny zoma alina lasa teo, tany Evato Farafangana. Niara-nisotro izy mirahalahy. Tampoka nisy ny fifamaliana. Niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana, daka sy totohondry, ary fahafatesana izany. Nanatri-maso ny zava-nisy teo amin’izy roa tonta ny fokonolona, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Nisambotra ilay nahafaty ny sefo fokontany […]
Auteur/autrice : Adnews
Ankazoabo Atsimo : ankizy varira avotra
Avotra soa aman-tsara ny ain’ilay ankizy varira 11 taona nalain’ny dahalo an-keriny, tao Ankazoabo Atsimo, niaraka tamin’ny omby. Tafaverina teo anivon’ny ankohonany, afakomaly, izy. Tafaverina amin’ny tompony koa ireo omby nalain’ireo dahalo tao Bealanana, Toliara II, rehefa natao ny fanarahan-dia nandritra ny iray andro. Nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ny fokonolona sy ny […]
Halatra omby : lavon’ny bala i Romain, dahalo raindahiny
Raikitra ny poa-basy ka maty i Romain, lehiben’ny dahalo tao Tsimanirirano, kaominina Mahatsinjo, RN4, distrika Maevatanana, ny 14 mey teo. Nitondra omby halatra efatra ny dahalo. Nifanehatra tamin’izy ireo tampoka ny zandary nanao fisafoana. Raikitra ny fifandonana. Vokany, dahalo roa voatifitra. Namoy ny ainy i Romain. Ity farany izay nokarohina hatry […]
Herisetra ara-nofo: lehilahy iray tratra nanolana ankizivavy roa
Fanararaotana miharo herisetra tsotr’izao! Tra-tehaka ny lehilahy iray nanolana ankizivavy roa izay vao 4 sy 9 taona. Tokony homena ny sazy henjana! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny sampandraharaham-paritry ny Filaminam-bahoaka Diana tao Ambodivoanio, ny sabotsy teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy roa. Tonga nametraka fitarainana teny amin’ny biraon’ny polisy Ambanja ny raim-pianakaviana iray […]
Ampitatafika: fiara namoa-doza, iray maty, 8 naratra
Tapaka hisatra sa mamo ? Namoa-doza ny fiara tsy mataho-dalana, omaly, teny Ampitatafika. Renim-pianakaviana iray maty, valo naratra. Saika nisy fitsaram-bahoaka ! Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray, olona valo naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Avaratra tetezana Ampitatafika, omaly hariva tamin’ny 6 ora sy 56 minitra. Fiara tsy mataho-dalana iray nidina avy […]




