17 ny isan’ny tranga vaovao Covid-19 voatily ho an’ny herinandron’ny 29 avrily hatramin’ny 5 mey, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mihena hatrany ny tranga vaovao amin’ny fitiliana 185 vita. Marary iray no ao anatin’ny tranga misy fahasarotana ary tsy nisy ny aina nafoy tao anatin’ny herinandro. 15 ny marary […]
Auteur/autrice : Adnews
Taranja OSE: niofana ny mpampiofana mpampianatra 54
Manao antso amin’ny minisitera mpiahy ireo mpitantana sekoly tsy miankina momba ny fanofanana ireo mpampianatra ao amin’izy ireo ho an’ny taranja vaovao rehetra. Niditra amin’ny fizarana faharoa amin’ny fampiofanana ireo mpampiofana mpampianatra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, tamin’ny alalan’ny foibem-pitondrana misahana ny fandaharam-pianarana sy ny fikarohana ara-pedagojia. Taorian’ny fiofanana nataon’izy ireo ny […]
Olan’ny rugby : kandidà tokana no hofidina filohan’ny Federasiona
Na efa nahazo fankatoavana avy amin’ny Rugby Afrique sy ny World Rugby aza Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby amin’izao fotoana izao, manohy ny lalany amin’ny fanoherana azy ireo ligim-paritra sasany. Misisika ny hanatontosa fifidianana izay ho filohan’ny federasiona indray izy ireo. Nanao filazana ny vaomieran’ny fifidianana natsangany fa nifarana ny […]
JIOI 2023 – Filoha Rajoelina : “Fandresena anatin’ny firaisankina no tanjona”
Nitafa sy nidinika ary niara-nikorana tamin’ny Federasiona sy ny atleta malagasy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Nandritra izany no nanambarany fa fandresena anatin’ny firaisankina sy fahasamihafana no tanjona amin’ity lalaon’ny Nosy 2023 ity. Hahafahana manatratra izany tanjona izany, notsinjaraina samy hiandraikitra taranja ireo minisitra mpikambana eo anivon’ny governemanta. […]
“Journée des sportifs médailles” : nahazo ny anjarany avokoa ireo atleta namiratra
Nakotroka indray teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly alahady 7 mey. Noraisin’ ny filoham-pirenena sady nahazo mari-boninahitra avokoa ireo atleta rehetra namiratra kanefa tsy mbola nahazo izany. Efa fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana ny hanome fankasitrahana ireo mpanao fanatanjahantena rehetra mitondra avo ny voninahi-pirenena ary nohamafisin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, fa tsy asiana fanavahana […]




