Nifarana omaly ny tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy, FEPA (Foire de l’élevage et de la production animale). Samy afa-po ny rehetra ary miandry indray ny andiany manaraka ireo mpanjifa sy ireo mpandray anjara. Nisongadina nanditra ny efatr’andron’ny foara ny fambolena sy ny fiompiana ataon’ireo tantsaha. Fa indrindra […]
Auteur/autrice : Adnews
Zotra Toamasina-Moramanga : hiverina hiasa ny lamasinina mpitatitra olona
Hisokatra afaka herinandro vitsy ny zotra an-dalamby sahanin’ny orinasa madarail, mampitohy an’i Toamasina sy Moramanga. Hamakivaky an’Ambila Lemaitso sy Brickaville ary Andasibe ny lamasinina ka hitondra ainga vao ho an’ny toekarena sy ny fizahantany any an-toerana. Hiasa manomboka ny 1 jona izao ny fitaterana an-dalamby mpitatitra olona (train voyageur) mampitohy […]
Afovoan-tany : handrahona sy hanerika
Hahazo vahana ny erika eto Antananarivo rahampitso sy ny alarobia, hidina kely koa ny maripana ka hahatratra 13°C ny ambany indrindra ary 24°C ny ambony indrindra. Hitohy handrahona eto afovoan-tany anio. Ho maina kosa ny toetry ny andro saika manerana ny Nosy, anio, ankoatra ny any Analajirofo sy Atsinanana, hahazo […]
Mpisehatra amin’ny taxi-ville : misy fivoriambe rahampitso
Nanao fanentanana ireo rehetra misehatra amin’ny taxi-ville ireo solontenan’ny mpisehatra amin’ny taxi rehetra eto Antananarivo Renivohitra ho avy amin’ny fivoriamben’izy ireo hotanterahina rahampitso, amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny kianja Mitafo Mahamasina. Araka ny nambaran’ireo solontenan’ny mpisehatra amin’ny taxi eto Antananarivo Renivohitra, zava-dehibe no hodinihina miaraka amin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra […]
Mpikaroka ao amin’ny CNRIT : nifehy ny fizaka-manana indostrialy
Anjaran’ireo mpikaroka ao amin’ny CNRIT indray no nisitraka fanamafisana fahaiza-manao, ny herinandro lasa teo, tao amin’ ny efitrano fivorian’ ny CNRIT. Tanjona ny hananan’ireo mpikaroka vao noraisina sy tranainy fahalalana ampy momba ny fizaka-manana indostrialy, sy ny lafiny haivao teknolojika ary ny fomba fiasa ara-kalitao eo amin’ny sehatry ny laboratoara […]




