Auteur/autrice : Adnews

Tselatra

Velarantany 220 ha may nandritra ny taona 2024. Valan-javaboahary arovana ny 10 ha tamin’ireo. Mpandoro ala miisa 15 efa notanana am-ponja. Heloka niniana natao avokoa ny ankamaroany niampangana ireo nahavanon-doza. Mpiondrana antsokosoko miisa 73 tra-tehaky ny zandarimaria nandritra ny taona 2024. Nahitana fihenana io tranga io raha oharina tamin’ny taona […]

Niaraka tamin’ny vinantony: lehilahy hita faty voatsatoka antsy

Voatsatoka antsy teo amin’ny lamosiny ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Anivorano2, kaominina ambanivohitr’i Sahalanona, distrikan’Ikongo, ny 13 janoary 2025. Tonga nampilaza tao amin’ny biraon’ny zandary, ta­min’io fotoana io, ny sefo fokontany Anivorano2 fa nisy olona novonoin’olona tao amin’ny fokontany iadidiany. Ni­di­na haingana tany an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera […]

Nangalatra 4×4 Land Cruiser: efa-dahy nalefa eny Antanimora

Voasambotry ny zandarimaria ireo dimy lahy tompon’antoka tamin’ny halatra fiara tsy mataho-dalana teny Ivato, ny 5 janoary teo. Naharay fitoriana avy tamin’ny tompon’ny fiara marika “Toyota Land Crui­ser” ny zandary eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ankadindra­vola, tamin’io andro io. Nanao fikarohana avy hatrany ny mpitandro filaminana rehefa fantatra ny toerana nahitana farany ny […]

Kly Andrianasoavina Charles: “Zana-bahoaka ny Foloalindahy…”

Nanao fanambarana, tamin’ny alalan’ny horonantsary anaty tambajotran-tserasera, ny manamboninahitra misotro ronono, ny Kly Andrianasoavina Charles, omaly. Nambarany tamin’izany fa zana-bahoaka koa ny mpitandro filaminana. “Tsy afaka ny hamono ny vahoaka sy ny raiamandreninay na ny havanay izahay. Efa nitaizana anay fa avy amin’ny vahoaka izahay ka miverina amin’izy ireo ihany”, […]

Fanivaivana ny filoha Rajoelina Andry: hitory ny kolonely Andrianasoavina Charles ny Tafika Malagasy

Tsy hilefitra amin’ny fanivaivana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny Foloalindahy. Hitory ny kolonely Andrianasoavina Charles izay nanao fanambarana tamin’ny Facebook ny Tafika Malagasy, araka izany. Manoloana ny fanehoan-kevitra niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera nataon’ny Kly An­dria­nasoavina Charles, nitafa tamin’ny mpanao gazety ny minisitry ny Foloalinda­hy, ny Jly Sahivelo Monja, omaly, teny […]