Auteur/autrice : Adnews

Andron’ny ala : Hifantoka amin’ny toekarena ny fankalazana

Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiainan’ny zanakolombelona ny ala. Hita taratra izany amin’ny lafiny tontolo iainana, sosialy ary indrindra ny toekarena. « Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala » ny 21 marsa. Ho an’ity taona 2026 ity, mandritra ny herinandro ny fotoam-pankalazana. Ho maro ny hetsika hanamarihina azy, mifantoka amin’ny lohahevitra hoe « Ny […]

Fiantraikan’ny ady any Moyen Orient: Tsy ampy ny famatsiana lasantsy ato anatin’ny roa andro

Nilaharana ny lasantsy SP 95 eny amin’ny toby mpaninjara solika sasany eto Antananarivo sy Toamasina, nanomboka ny alatsinainy teo. Hikorontana ny famatsiana azy ato anatin’ny roa andro, raha ny fanazavana nomen’ny OMH. Miantraika amin’ny fa­matsiana solika aty Madagasikara ny ady any Moyen Orient, ifandonan’ Iran amin’Etazonia sy Israely. Raha ny […]

FANTINA sy FINTINA

”Tsy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany no tokony hisitraka ny famerenana ny fifidianana amin’ny ampahany fa misy kaominina 20 eo ho eo”, hoy ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, Safidy, Ramiarondraibe Hajason. Tokony hiaretana kely ny famerenana izany. Lisi-pifidianana efa tsy nety teo aloha, nisian’ny fitoriana, ka hamerenana fifidianana. Governemanta tena […]

Gen : “Aza irotorotoana ny fikaonandoham-pirenena”

“Aza irotorotoana ny fikaonandoham-pirenena”. Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ ny Vondron’ny manampahaizana momba ny fifidianana na ny Groupe des experts nationaux (Gen), Dr Bruno Rako­toarisoa, tamin’ny mpanao gazety teny Ankadivato, omaly. Ny amin’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao hirosoana amin’ny hoe fanovana na fanavaozana izany. Mety tenenina hoe malalaka be […]

Efa misisitsisika ao avokoa !

  Efa eny antsisin-kianja indray aloha izay vonona hilalao. Samy manao ny fanafanam-batana sy ny fikojakojana moraly. Vitsivitsy rahateo no ho voafantina. Ny tompon’ny teny farany rahateo efa nametraka ny fitsipi-dalao: « choc choc ». Izany hoe, ekipa maherihery sy aingam-pandeha no ho eo. Tsy mpanao daka an-jorony fotsiny, na […]