Auteur/autrice : Adnews

Tetikasa Haraton’aina: havaozina ny paikady nasionaly

Ao anatin’ny fanamarihana ny herinandro fampahafantarana ny tetikasa “Hara­ton’aina” no hidirana amin’ny iray volan’ny fiahiana sosialy amin’io volana mey io, ataon’ny minisiteran’ny Mponina, tarihin’ny minisitra Soafilira Princia. Hisy ny tombana hatao hahafantarana ny ezaka vita sy ny mbola miandry. Ho fantatra eo na tratra ny tanjona napetraka na tsia. Anisan’ny […]

Kaominina Antananarivo Renivohitra: Polisy monisipaly sy mpamonjy voina vaovao 200

Notanterahina, omaly , tetsy amin’ny Lapan’ ny tanàna Analakely ny famoahana mpianatra polisy monisipaly sy mpamonjy voina 200 . Misalotra ny anarana “Sedra”. 97 amin’ireo mpianatra polisy mo­nisipaly ary 74 mpamonjy voina ary 100 ambiny napetraka teo ambany faneva. “384 ny isan’ny mpamonjy voina eto Antanana­rivo ankehitriny raha toa ka […]

Fanajana ny zon’ny ankizy: nametraka paikady iraisana ny governora 10

Nanaiky handray anjara amin’ny fametrahana tontolo manaja ny zon’ny ankizy na ireo voahilika aza ny governoran’ny faritra 10 (Analamanga, Analanjirofo, Atsinanana, Anosy, Androy, Boeny, Atsimo Andrefana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana) taorian’ny atrikasa notanterahina teto Antananarivo, tamin’ity herinandro ity. Nametraka paikady iraisana izy ireo hampiroboroboana ny zon’ny ankizy miaraka amin’ny […]

Faritra Atsinanana : sakana amin’ny fanaovana vaksiny ny tsaho, ny fomban-drazana ary ny finoana

Nandritra ny fitsidihana natao tamin’ireo toerana manokana hanaovana vaksiny tao amin’ny faritra Atsinanana, amin’izao herinandron’ny fanaovam-baksiny aty Afrika izao no nahafantarana fa mbola manjaka ny tsaho ary miteraka tahotra ho an’ny olona izany ka manakana azy ireo tsy hazoto hanao vaksiny. Teny amin’ny fokontany dépôt, Premier Parcelle 21/41, Toa­masina, ny […]

Faha-100 taonan’i Nirhy-Lanto : hisy fifaninanana asa soratra amboaran-drindrambolana

«Ho an’ny tanindrazana, ho an’ny tenin-drazana». Io ny lohahevitra iompanan’ny fifaninanana asa soratra, izay entina hanamarihana ny faha-10 taona nahaterahan-dRako­tonirina Charles Victor, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana maha mpanoratra, Nirhy-Lanto. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika amin’ny ankapobeny sy ny fifaninanana manokana, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Havatsa-Upem, Tahala Rarihasina. Ity fikambanan’ny […]