Auteur/autrice : Adnews

“Madagascar Wrestling Megaweek 2023” : mampiofana mpanao tolona eto amintsika ireo vahiny 4 mirahalahy

Notanterahina teny amin’ny lapan’ny Fanatanjahatena Mahamasina, omaly, ny lanonam-panokafana ofisialy ny hetsika “Madagascar Wrest­ling Megaweek 2023”. Nizara ny traikefany teto amintsika ireo manam-pahaizana manokana vahiny, efatra mirahalahy. Marihina fa efa nanomboka ny 20 avrily lasa teo ny fiofanana, ary hifarana amin’ny 30 avrily izany. Vahiny manana ny lanjany tokoa izy […]

« Barthes Trophy 2023 »: lavon’i Côte d’Ivoire ny Makis de Madagascar

Tsy nahomby indray ny Makis de Madagascar nandritra ny fifanintsanana « Bar­thes Trophy U20 », 2023, ta­ranja rugby aty amin’ny kaontinanta Afrika. Niondrika tany amin’ny ora farany ny Mala­gasy, resin’i Côte d’Ivoire, tamin’ny isa 16 no ho 11. Fi­haonana notanterahina tao amin’ny kianjan’ny Nyayo National Kenya, omaly. Raha hiverenana ny lalao, niady […]

Rugby Afrique : voatendry ho komity mpanatanteraka Rakotomalala Marcel

Manana olona miasa ao anatin’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Rugby Afrique ny baolina lavalava malagasy. Voatendry ho anisan’ireo mpikambana Rakotomalala Marcel Joseph, filohan’ny Malagasy rugby. Voatendry ho anisan’ireo mpikambana eo anivon’ny komity mpanatanteraky ny Rugby Afri­que, ny filohan’ny Mala­gasy Rugby, Rakotomalala Marcel Joseph. Nampahafan­tatra izany tamin’ny alalan’ny taratasy ofisialy nalefany […]

Zava-mahadomelina : 7 mianadahy nahatrarana héroïne

Olona 7 mianadahy indray voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina tao Toamasina, omaly. Nahazo loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa ahitana mpivarotra io karazan-java-mahadomelina io ao an-toerana. Nanao ny paikady na­hafahana misambotra ireo mpidoroka ireo ny polisy. Vokany, mpi­varotra rongony mahery vaika “heroïne” ny 3 tamin’ireo tra-tehaka. Mpi­do­roka ary efa miankin-doha tanteraka amin’io […]

Opération « Tselatra » : dahalo nahatrarana Kalack

Nahitam-bokany sahady ny hetsika « Tselatra » izay ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana. Tratran’ ny miaramila avy ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana (ZDS) Pangalana ny dahalo raindahiny nampitondra faisana ny mponina ao Andrebakely, fokontany Anjiro, kaominina Tanam­bao Besakay, afakomaly. Tompon’antoka tamin’ny fa­nafihana sy fandorana trano enina tao Faravohitra, ny 23 novambra 2023, ity […]