Auteur/autrice : Adnews

Handball – “IHF Trophy 2023”: nafindra i Madagasikara sy i Seychelles

Tsy horaisin’i Madagasikara ny “IHF Trophy”, ho an’ny faritra fahenina, taranja handball. Tsy misy afa-tsy ny Akio sy i Seychelles ihany mantsy no hany mandray anjara. Araka izany, notapahan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny IHF fa hafindra any amin’ny faritra fahenina izy ireo no mifaninana. Noho ny tsy fahampian’ny firenena mandray anjara […]

Minisitra Yvette Sylla : nandray ambasadaoro roa

Nandray ambasadaoro roa ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla, afakomaly, tetsy Anosy. Teo ny masoivohon’i Italia, Paolo Cuculi. Hiasa eto amintsika fa hipetraka atsy Afrika Atsimo. Efa nisahana andraikitra teo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny italianina ny tenany nialoha ny nanendrena azy ho ambasadaoro aty Pretoria, ny taona 2019. Voaresaka teo amin’ny […]

Fepetra famoriam-bahoaka : manaitra ny HCC ny MMM

Tsy nipetra-potsiny. Na­nao fanambarana teny amin’ny foiben-toerany eny Anke­rana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, oma­ly. Anton’izany ny fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny Atitany, mandrara ny fivoriana sy hetsika politika ankalamanjana, ankoatra ny hetsika politika karakarain’ny fanjakana. Eo koa ny nanakanan’ny sefo distrikan’i Fandriana ny hetsika nokasain’ny MMM hatao, ny zoma teo, […]

Depiote Rakotomanga Lanto : “Depiote 109 no manohana ny filohan’ny Repoblika”

Nitondra fanazavana, manoloana ny resabe momba ireo depiote ny solombavambahoaka IRD, Rakotomanga Lanto. Nambarany fa mbola ao anatin’ny heriny izy ireo amin’izao fotoana izao. «Amin’ny fidirana amin’ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ny volana mey, mbola mahatratra 109 izahay depiote manohana ny filohan’ny Repoblika», hoy ny depiote IRD, voafidy tao An­tananarivo II, […]

Antananarivo Renivohitra : maro ny lalana ho tapaka manomboka rahampitso

Ho tapaka manomboka rahampitso ny ampahan-dalana maro eto amin’ny kaominina Antanananarivo Renivohitra. Fiatombohany, tokanana rahampitso ny Foundation H etsy Ambatomena. Ho tapaka, noho izany, ny lalana Refo­tana, miainga eo amin’ny Ur­bania hatreo amin’ny Phara­macia Analakely, rahampitso manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Tsy azo aleha intsony koa ny lalana eo amin’ny […]