“Aoka isika vahoaka mba ho tony ary tsy hitebiteby. Satria raha tsy mitandrina isika na raha tsy voafehy ny hambompontsika, mety hiteraka loza ho an’ny tanàn’i Sakaraha. Tsy mendrika an’izany ny raiamandreny ao Sakaraha”, hoy ny depiote voafidy tany Sakaraha, Razakandrainy Henri Dominique, momba ny zava-nitranga tao an-tanàna Andasy, ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Ravalitera Jacques Michaël : “Torio ny Ceni raha mandika lalàna”
Nitondra fanazavana manoloana ny tsikera mivaivay mahazo azy ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny momba ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, nahabe resaka tato ho ato. “Azo sazina ny Ceni raha mandika lalàna, fa tsy resahina fotsiny hoe tsy mety ny ataony. Tsy midika fankahalana izany, fa mifampiresaka sy mifampitaiza. Torio […]
Halatra volam-bahoaka : 400 tapitrisa Ar nanjavona tao amin’ny “Trésorerie”
Hatramin’ny omaly hariva, atao fanadihadiana eny anivon’ny mpitandro filaminana ireo olona fito mpiasa ao amin’ny “Trésorerie Principale” Ambalavao. Voasaringotra amin’ny raharaha nahavery ny vola 400 tapitrisa Ar izy ireo. Ny alatsinainy teo, voamarin’ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana fa tsy hita tao amin’ny fitoeram-bola io vola mitetina 400 tapitrisa Ar […]
Tsy misy « majiamajia » !
Anisan’ny fositra manimba ny fiarahamonina malagasy ankehitriny ny fahaverezan-kasina. Toa samy mandeha an-jambany avokoa sisa ny sarambabem-bahoaka. Tsy mahagaga raha tonga hatrany amin’ny fametavetana sy fahasahian’ny mpanao ratsy miseho masoandro, tsy amin-tahotra. Ilay maha olombelona mihitsy no efa voahosihosy sy atao ambanin-javatra. Hatramin’ny nomem-pahefana mba hiaro sy hianteherana aza izao […]
Naiditra am-ponja ry Jajabiby: jiolahy raindahiny, mpampihorohoro !
Naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy ry Jajabiby sy ny namany. Voalaza, ho isan’ny jiolahy raindahiny, mpangalatra moto sy mpandrahona olona amin’ny basy izy ireo. Tra-tehaky ny mpitandro filaminana, efa naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, i Jajabiby. Anisan’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fangalarana moto niharo fanapoahana basy mahery vaika tao Ankirihiry Toamasina, ny zoma lasa teo. […]




