Auteur/autrice : Adnews

“Playoff – OPL” : ho fantatra anio sy rahampitso ireo ekipa 8

Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro faran’ny fifaninanam-pirenena “Oran­ge Pro League” (OPL), taranja baolina kitra. Araka izany, ho fantatra aorian’ny voka-dalao rehetra ireo ekipa valo hanao ny “Playoff 2023”. Tsiahivina fa mbola ekipa efatra ihany hatramin’izao no efa tafita, anisan’izany ny ekipan’ny Fosa Junior FC Boeny, Cosfa Analamanga, ho an’ny […]

Basikety : raikitra ny “Mibala Tournament”

Andro sisa hisaina dia hi­gadona ny fifaninanana basikety “Mibala Tournament”, karakarain’ny ISPM (Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar). Fifaninanana hotanterahina ny 17 hatramin’ny 24 avrily ho avy izao. Hizara roa ny kianja handray ny lalao, araka ny fanazavana nentin’ny mpikarakara. Hisy ny lalao hatao ao amin’ny Espace Ravintsara Mahama­sina. Hisy kosa […]

Judo-Mada 2023: hiakatra kianja, anio, Rasoanaivo Razafy Laura

Nanomboka, omaly, etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra, taranja Judo. Mpikatroka 400 manerana ny Nosy no mandray anjara. Anio no hiakatra an-kian­ja ny laharana voalohany eran-tany, eo amin’ny sokajy Junior, latsaky ny 70 kg. Rasoa­naivo Razafy Laura. Ny sokajy Senior no hifaninanany amin’izany, hifanandrinany amin’i […]

Harena an-kibon’ny tany : nasiam-panovana ny lalàna vaovao

Taorian’ny fankatoavan’ ny filankevitry ny minisitra ny volavolan-dalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ ny tany (code minier), ny alarobia lasa teo, nitondra fanazavana Rakoto­malala Olivier Herin­drainy, minisitry ny Harena an-kibon’ny tany. Namba­rany nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny Ampan­dria­­nomby, omaly antoandro, fa anisan’ny nasiana fanovana anatin’ity lalàna ity ny […]

Fadintserana malagasy : sivanina ireo entana manimba tontolo iainana

Hojerena akaiky ireo entana miditra sy mivoakan’i Madagasikara. Hofan­tarina ireo akora simika “hydro chlorofluorocarbure” (HCFC) manimba ny sosona “ozone” sy ny olombelona. Hahafehy izany ny fampiasana ireo fitaovana manokana entina hamantarana ireo akora simika anaty fitaovana mandeha amin’ny herinaratra. Ireo no tanjona napetraka ho an’ireo mpiasa 27 nanaraka fiofanana etsy […]