Auteur/autrice : Adnews

Filoha Rajoelina sy ny filoha Isaac Herzog : hanohana ny angovo sy ny teknolojia ny israelianina

Nanao fivahinianana ma­sina tany Israely ny Filo­han’ny Repoblika, Rajoelina Andry sy ny vady aman-janany, nandritra ny fetin’ny Paska. Nohararaotiny tamin’izany ny fihaonana tamin’ny filoha israelianina, Isaac Herzog. “Mahavelom-panantenana ny amin’ny ho avin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Niom­panan’ny dinika nifanaovana ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny teknolojia, indrindra ny momba […]

Fandriampahalemana… mahafaoka be sy marolafy

Mby aiza ny sosialim-bahoaka amin’izao? Hoe hatao laharam-pahamehana, vaindohan-draharaha, imasoana… Efa mba misy fihatsarana hatrany ifotony ve, ohatra, ny fiainam-bahoaka? Amin’ity hoe tsy misy distrika hadino amin’ny fampandrosoana. Anisan’ny fampandrosoana mivantana ny firenena ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka, izay maika sy lehibe fa antom-pisian’ny fitondram-panjakana. Ny mpitondra no manjaka dia ny […]

Velam-pandriky ny jiolahy : voatifitra i Djaffar, zandary iray naratra

Vita hatreo ny tantaran’i Djaffar, raindahiny amin’ny fakana an-keriny. Voatifitra teo amin’ ny lohany izy, tamin’ny zoma alina. Nieren-doza ny zandary iray, naratra ny tanany Nirefodrefotra ny basy tamin’ny zoma faha 7 avrily. Rotiky ny bala teo amin’ny lohany i Djaffar, ilay jiolahy raindahiny amin’ ny fakana an-keriny teto Madagasikara. […]

Avotra ireo mpanamory : fiaramanidina iray tafapetraka teny an-tanimbary

Fiaramanidina kely no ni­anjera teny an-tanimbary, tao Ambalika, kaominina Be­tsako, distrikan’i Maha­janga II, faritra Boeny, ny sabotsy tolakandro teo, tamin’ny 1 ora sy 30 mn. Voatery nidina haingana namonjy izay toerana malalaka afaka hijanonany ny mpanamorin’ilay fiaramanidina kely satria tratran’ny olana ara-tekinika tampoka teny am-panidinana, araka ny tatitra nampitain’ny zandary. […]

Fetin’ny Paka… : 62 ireo nandalo tao amin’ny HJRA

Nihena raha mihoatra amin’ny isan-taona ny antontan’ isa vonjimaika voaray teo anivon’ny sampana vonjy taitra sy fameloman’aina ao amin’ ny HJRA, Ampefiloha. Ho an’ny alahady sy ny alatsinainy (hatramin’ny 3 ora tolakandro nandalovana teny an-toerana), 62 ireo olona nandalo fizahana tao amin’ny hopitaly. Araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray ao amin’ny […]