Auteur/autrice : Adnews

Masomboly zafindraony : ahazoana katsaka 8 taonina isaky ny hektara

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana (Minae), notarihin’ny minisitra, Ramilison Harifidy, sy ny Dr. John MacRobert, mpikaroka sady nisolo tena ny orinasa tsy miankina mpamokatra masomboly, Mukushi Seed Company (MSC), manana ny foibeny any Zimbabwe. Na­nolotra masomboly fototra katsaka zafindraony ity orinasa ity […]

Orinasa WeLight : hofanina ny Malagasy mpandraharaha

Manamafy ny fahaiza-ma­nao ny Malagasy mpandraharaha. Manampy azy hampiasa ny fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Ireo no tanjona napetraky ny orinasa WeLight. Nampiofana mpandraharaha maromaro avy any Fenoarivo Atsinanana ity orinasa lehibe ity hampiroboroboana ny tetikasany. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny sampandraharaha alemà, GIZ, amin’ny fampitaovana. “Ha­na­faingana ny fampiasana ny angovo […]

Hitondra fampandrososana : manohana ny Base Toliara ny Toko Bey Telo

Miha mazava amin’ny mponina eny ifotony, ankehitriny, ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny Base Toliara. Nazava tamin’ny fikambanana Toko Bey Telo ny fanazavan’ny ONE sy ny INSTN, ka resy lahatra koa izy ireo fa tena hitondra fampandrosoana any Toliara sy Atsimo Andrefana ity tetikasa ity. Nohazavain’ny teknisian’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana […]

Orange Pro League : hifandona amin’ny Ajesaia ny Uscafoot

Hotanterahina anio sy ra­hampitso, ny andro faha-13n’ ny fifaninanam-pirenena, Orange Pro League 2023, taranja baolina kitra. Anisan’ ireo lalao tena andrasan’ny maro, ny fihaonan’ny Ajesaia Bongolava sy ny Uscafoot Analamanga. Lalaon’ny kaon­feransy avaratra, izay hotontosaina eny amin’ny kianja Alarobia, ny alahady 9 aprily ho avy izao. Marihina fa ekipa efa […]

Rugby vehivavy : manamafy ny tanjaka ara-batana ny Makis Ladies

Miditra amin’ny andro fahenina anio, ny fanomanantenan’ny Makis Ladies, atsy amin’ny ivotoerana teknika Stellenbosch, Afrika Atsimo. Mbola ny fanamafisana ny tanjaka ara-batana hatrany no hifantohan’izany. Araka ny fandaharam-potoana, tanterahina isaky ny tapakandro ma­raina izany. Miatrika fanomanana taktika sy teknika eny ambony kianja ny hariva. Ankoatra izay, misy ny fi­jerena lalao […]