Auteur/autrice : Adnews

Tsy nahay nampiasa basy… : tratra ireo jiolahy mpanao fanafihana

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria (CSP) Maintirano ireo andian-jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny faritra Me­laky, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny halatra mitam-piadiana. Naharay antso ny polisy, misy andian’olona mandroba sady mampiasa fitaovam-piadiana tamin’io fotoana io. Nandritra ny kerimesy tao amin’ny fokontany Maro­doka, CU Maintirano no ni­tran­gan’izany. Nambanan’izy […]

Antsirabe II : dahalo mpangalatra omby matin’ny fokonolona

Narian’ny havany hatramin’ny fatiny ! Dahalo raindahiny amin’ny halatra omby no matin’ny fitsaram-bahoaka tao Antsirabe II, afakomaly. Nizara roa ny lohany. Tapaka ny tendany. Ma­tin’ny fitsaram-bahoaka ny dahalo iray tany Antsirabe II . Nalevin’ny fianakaviany sasantsasany toy ny nandevina biby ity mpangalatra omby iray matin’ny hatezeram-bahoaka tao Be­ma­hatazana ity. Nangalatra omby miisa […]

Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena : nahazo fitaovana fanapotehana basy tsy ara-dalàna

Raitra! Izay no azo ilazana ireto fitaovana nomen’ny Fire­nena Mikambana sy ny firaisambe Afrikanina mba hamotehana ireo basy tsy ara-dalàna miparitaka eto Madagasikara. Mitentina 100 000 dolara ny tetibidiny. Misy ny paika hiadiana amin’ny fiparitahan’ny basy tsy ara-dalàna eto Madagasikara tamin’ny alalan’ ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fivarotana fitaovam-piadiana “traiter sur […]

Ho lavitry ny loza !

Fiteny mahazatra isan-taona rehefa fetin’ny Paka tahaka izao ny hoe fety ieren-doza. Samy manezakezaka avokoa ny ankolafin-kery rehetra misy eto amin’ny firenena manao izay hanatrarana ny tanjona. Torak’izany ny isan-tokantrano, mitady ny fomba hanao­vana fety am-pahatsorana sy arakaraka izay ho enti-manana. Tsy misy maharatsy ny fanaovam-pety tokoa, fa mila fifehezan-tena […]

Fidorohana sy fahavetavetana : zatovo lahy sy vavy miisa 60 nosamborina

Mahavita zava-doza ny fikambanan-jazamaditra ao Toamasina. Ampisotroina ranon-javatra tsy fantatra sy vetavetaina ireo zatovo vao 12 hatramin’ny 17 taona. Tafakatra 60 ireo tanora voasambotry ny mpitandro fi-laminana momban’ny fi­kambanana zaza maditra « Gool Den Team » ao Toamasina, omaly. 12 hatramin’ny 17 taona ny ankamaroan’izy ireo. « Henjana sy mivoatra ny ditran’ny ankizy […]