Hifarana amin’ny volana jona ho avy izao ny fifanarahana eo amin’i Lionel Messi, mpanjakan’ ny baolina kitra arzantina sy ny Paris Saint Germain (PSG), klioba frantsay. Araka ny vaovao tany Frantsa, omaly, tsy hilalao ao amin’io klioba frantsay io intsony i Messi aorian’io fotoana io. Raha ny feo mandeha, tsy […]
Auteur/autrice : Adnews
Kitra : lasa ambasadaoron’ny Telma i Roro
Manomboka izao, ho masoivohon’ny orinasan-tserasera Telma Madagascar, ny mpanazatra ny Barea de Madagascar “Chan”, Rakotondrabe Romuald Felix na i Roro. Hifanome Tanana amin’ny fampiroboroboana ny kitra malagasy ny roa tonta. Tsy diso safidy ny Telma Madagascar, nanendry an-dRakotondrabe Romuald Felix (Roro), mpanazatra ny Barea de Madagascar “Chan 2023”, ho ambasadaorony. […]
Safotra tampoka teny an-dalana : raim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana
Raim-pianakaviana iray 54 taona hitan’ny olona safotra teny an-dalana tao Mangarivotra Atsimo, omaly. Nisy nanatitra tao amin’ny Hopitalibe Toamasina izy saingy tsy avotra intsony ny ainy. Raha ny fanadihadiana voaray, nandeha teny an-dalana izy ka nidaraboka tampoka ka hitan’ny fokonolona. Nivilana ny vavany sady nilefitra ny tanany. Niezaka ireo nanatri-maso […]
Misamboaravoara
Mbola anatin’ny fotoam-pahavaratra hatrany ny eto an-drenivohitra, ankehitriny. Mijohy ny orana amin’ny faritra maro, hany ka mananosarotra ny fifamoivoizana. Dibo-drano ny toerana iva. Miaina anaty petsapetsa ny « ambanitanana ». Zava-doza, mitsikafona manerana ny tanana ny diky. Milomano anaty loto tanteraka ny mponina. Ankoatra izay, feno fandrika amin’ny lavaka ny arabe. Mahita […]
Haintrano : “Prise” tsy voatsoaka, nirehitra ny trano
Hadinon’ny tompon-trano ny nanala ny “prise”mitarika ny herinaratra, omaly! Vokany, may ny trano, hotohoto ny entana rehetra teny Antanety Avaratra, Ambohimanarina. Trano rihana iray kilan’ ny afo tao Ambohimanarina, omaly maraina tamin’ny 9 ora. “Hadino ny nanala ny prise tamin’ny milina fanjaraina ka niteraka ny court-circuit”, hoy ny tompon-trano. Tsy […]




