Auteur/autrice : Adnews

Fanehoana voka-pikarohana : nahavita ny « Valiha tory roapolo » i JoanValiha57

Nitombo iray indray ny voka-pikarohana momba ny valiha. Tsy najanon’i JoanValiha57 teo amin’ny tory folo ny valiha fa novelariny tamin’ny tory roapolo. Milaza ny heviny sy mampahafantatra ity zava-baovao ity izy… Fikarohana tao anatin’ny taona maro ! «Tendry Valiha tory roapolo in­dray no fikarohana vitako. JoanValiha57 ny anarana nosafidiko hilalao […]

“Raharaha La Gazette de la grande Ile” : namoaka fanambarana ny Holafitry ny mpanao gazety

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), mom­ba ny nanatanterahan’ny Ji­rama didim-pitsarana nanagiazana ny fananan’ny La gazette de la grande Ile (LGDGI) ny 30 marsa teo. Anton’izany ny trosa tsy voaloan’io orinasan-gazety io. Nivoitra tamin’izany fa miantraika amin’ny mpanao gazety ny tsy fisian’ny fehezan-dalàna mamaritra ny fetra […]

Minisitra Lalatiana Andriantongarivo : “Afangaron’ny sasany ny resaka momba ny asa an-gazety”

Tsy mitovy ary samihafa ny asa fanaovan-gazety sy ny maha mpanao gazety. Ni­tondra fanazavana, manoloana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ny minisitra La­latiana Andriantongarivo Ra­kotondrazafy, omaly, tetsy Anosy. Nambarany fa betsaka ny raharaha momba ny mpanao gazety tato ho ato. Samihafa anefa izany satria tsy momba ny asa fanaovan-gazety, araka ny […]

Fifidianana sy fanarenana ny firenena : mitaky ny fikaonandohan’ny hery rehetra ny G5

Namondrona ny heriny ka nanao fanambarana ireo vovonana politika mivondrona eo ani­von’ny G5. Ahitana ny avy amin’ny RMDM, Hiffim, HPM, VTHM, Panorama izy ireo. Nambaran’ireto mpanao politika ireto fa masi-mandidy sy tompon’ny fahefana eto amin’ny firenena, araka ny rafitra repoblikanina sy demokratika ny vahoaka. Nohitsin’izy ireo koa fa tsy maintsy […]

Nilatsaka ny fepetran’ny minisiteran’ny Atitany: “Tsy maintsy anaty efitrano avokoa ny hetsika politika”

Nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, omaly, tao amin’ny TVM fa mandala ny demokrasia sy malalaka amin’ny fanehoan-kevitra, amin’ny sehatra rehetra isika. Na izany aza anefa, nilatsaka ny fepetra noraisin’ny fanjakana nanomboka, omaly. “Omena malalaka ireo mpanao politika amin’ny famoriam-bahoaka sy hetsika politika tiany hatao rehetra. Tsy […]