Milaza miara-mahita sy miara-miaina? Mihamafy sy mihasarotra hatrany ny fahasahiranam-bahoaka amin’izao. Eo, ohatra, ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa; ny fidangan’ny vidim-piainana tsy voafehy, indrindra ny vidim-bary; ny tsy fisian’ny asa azo antoka sy mahavelona ho an’ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny tanora… Manginy fotsiny ny ady tany mampisaritaka an-toerana, ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Noho ny ora-mikija: olona 9 maty nirodanan’ny trano
Toy ny vara-datsaka ! Olona sivy indray namoy ny ainy vokatry ny firodanan’ny trano tetsy Behoririka sy Ampasika manamorona ny fefilohan’Ikopa, omaly maraina. Nampihoronkoditra! Ankoatra ireo mpirahavavy namoy ny ainy, olona telo hafa maty vokatry ny fianjeran’ny trano lehibe iray nisy rihana telo tetsy Behoririka, omaly tamin’ny 4 ora maraina. […]
Raindahiny amin’ny famakian-trano : rotiky ny balan’ny zandary Razakabe
Nirefodrefotra indray ny basy tao Toamasina, omaly. Maty voatifitry ny zandary tao Ankirihiry Avaratra ny jiolahy iray, fantatra amin’ny anaram-bosotra hoe Razakabe. Malaza ratsy amin’ny fanendahana sy vaky trano amin’ny fampiasana zava-maranitra. Hatreto aloha, tsy fantatra mazava ny zavatra ampiasain’ity jiolahy maty voatifitra ity fa tena tsy mahare na inona […]
Kaomisaria 67ha : lehilahy tratra nangalatra findaina polisy
Lehilahy iray no tra-tehaka nangalatra findaina polisy tao amin’ny biraon’ny kaomisaria 67ha, afakomaly. Tonga namonjy ny biraon’ny polisy toy ny olon-drehetra ny tenany. Noraisina sy nomena seza izy ary nampiandrasina noho ny hamaroan’ny olona. Tsy lavitra azy teo, nisy telefaonina ana polisy nipetraka teo ambony latabatra ka dia nanararaotra naka […]
Raharaha halatra fitaovam-piadina: hita nisitrika tany anaty ala ireo basy nangalarina
Andro vitsy taorian’ny nangalarana ireo basy tao amin’ny fonjan’i Vavatenina. Omaly, tratra tany anaty ala sy tao amina trano fandraisam-bahiny tany Soanierana Ivongo ireo basy efatra. Sarona omaly avokoa ireo basy efatra very tao amin’ny fonjan’i Vavatenina ny alarobia teo. Hita tao anaty ala tao Soanierana Ivongo ireo Mas 36 […]




