“Ireo maherifontsika niady, nitolona, niaro, nanolotra ny aina ho an’ny firenena no fitaratra ho antsika: tsy nijery ny ho azy samirery, fa izay mahasoa ny vahoaka malagasy. Izany no entintsika miasa ankehitriny”, hoy ny filoha Rajoelina tany Moramanga, omaly, tamin’ny fahatsiarovana ny faha-76 taonan’ny 29 marsa 1947. Misy milaza fa […]
Auteur/autrice : Adnews
Firaisankina ho an’ny tanindrazana
Vita iny ny fahatsiarovana ny 29 marsa 1947. Tsaroana isan-taona, dia fahatsiarovana tokoa. Mitondra inona? Na eo amin’ny tena na ny firenena… “Tolom-panafahana, firaisankina ho an’ny fitiavan-tanindrazana” no lohahevitra tamin’ity. Mby aiza? Tsiahivina isan-taona fa tsy mbola vita ny tolona. Vao mainka mihamafy aza, mitombo an-dalana… Aiza ho aiza izay […]
Fanafihana teny Soamanandrariny: tompona Cash point maty, very ny 21 tapitrisa Ar
Nanaovan’ireo jiolahy tambabe ilay raim-pianakaviana tompona Cash point eny Soamanandrariny. Maty voatifitra izy no mbola lasan’ireo tsy mataho-tody koa ny vola 21 tapitrisa Ar tao anatin’ny kitapony. Nirefodrefotra ny basy teny Soamanandrariny ny talata maraina teo. Lasibatry ny asan-jiolahy ny lehilahy iray manodidina ny 67 taona, tompona Cash point eny […]
Ambatondrazaka : renim-pianakaviana voatifitra teo amin’ny feny
Naratra teo amin’ny feny ny renim-pianakaviana iray notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana tao amin’ny kaominina Ambohitsilaozana, distrikan’ Ambatondrazaka, ny alin’ny 28 marsa teo. Tamin’ny 11 ora alina, niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray . Nitady ny vola, nirefotra inefatra misesy ny basy. Raikitra ny fikarohana ireo olon-dratsy. Tsy hita popoka ireto farany. […]
Mananara Avaratra : jiolahy niharan’ny fitsaram-bahoaka
Niharan’ny fitsaram-bahoaka, naratra mafy ny lehilahy iray. Nahatraran’ny fokonolona entana halatra tao Analanjahana, fokontanin’ Androkaroka, kaominina Mananara, afakomaly maraina. Nangalatra tao amin’io fokontany io izy. Raikitra ny fanenjehana fokonolona ka tsy afa-bela ilay olon-dratsy. Lavo tamin’ny tany, raikitra ny fikasihan-tanana sy ny daroka. Nanampy trotraka ny hatezeran’ny fokonolona izay efa […]




