Auteur/autrice : Adnews

Ben’ny Tanàna: manana anjara asa goavana amin’ny faritra iadidiny

Vita ny fifidianana ka mi­andry ny vokatr’izany ireo kaominina rehetra manerana ny Nosy, amin’izao fotoana izao. Iray volana aorian’ny datin’ny fandatsaham-bato no tokony hivoaka izany, araka ny voafaritry ny lalàna. Vina­vinaina hi­voaka ny 11 janoary 2025 izany ny voka-pifidianana ben’ ny Tanàna sy mpanolotsaina. Anisan’ny fifidianana iankinan’ny fampandrosoana ny tanàna […]

Rabary Paul: “Mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny vehivavy malagasy”

“Ny tantaran’ny firenena malagasy, amin’izao fitondran’ny filoha Rajoelina izao no tena hita fa nahazo toerana sy andraikitra ambony mifanahantsahana amin’ny lehilahy ny vehivavy”,araka ny fanazavan’ny mpandinika fiarahamonina Rabary Paul . «Hita izany fa efa mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena ny vehivavy malagasy, ary mandray andraikitra feno amin’ny fitantanan-draharaha […]

Tselatra

Namoy ny ainy ny lehilahy iray lasan’ny ranomasina tao Depot 1, Toamasina, omaly atoandro. Nifa­mon­jen’ny mponina manodidina izy. Tafavoaka tao anatin’ny rano ny vatany saingy tsy tana ny ainy. Raim-pianakaviana iray maty lasan’ny ranontrambo tany Andranomisa, raha avy any Marotsipoy, disitrikan’Anjozorobe, ny voalohan’ny taona 2025 lasa teo. Olona fito mianaka, […]

Ambolokandrina: lehilahy tratra teo am-pamakiana trano

Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana, mpamaky trano iray tra-tehaka teny Ambolokandrina, boriborintany faharoa, ny 2 janoary teo tamin’ny 1 ora maraina. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina, nikasa hanao ny asa ratsiny io lehilahy io. Nanao fisafoana ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny boriborintany faharoa. Sarona teo am-panatontosana ny vaky trano nokasaina hataony io […]