Auteur/autrice : Adnews

Jirama: ho tapaka ny jiro Anosizato hatrany Itasy anio

Hita avokoa ny fototry ny olana mikasika ny fama­tsiana herinaratra miainga eny amin’ny toby « sous-station Tana Sud » Anosi­zato hatrany amin’ny faritra Itasy. Tsy maintsy hatao, araka izany, ny fanarenana sy ny fanamboarana ny simba. Nilaza ny tompon’andraikitry ny Jirama fa sarotsarotra ny asa sady maro ny tsy maintsy hirosoana amin’ny fanapahana […]

Antenimieran’ny varotra sy ny asa tanana: tandindonin-doza ny ho avin’ny mpiasa ao Toamasina

Tandindonin-doza indray ny mpiasam-panjakana ma­nodina tsy ankiato ny fampandehanana ny Antenimie­ran’ny varotra sy ny indostria ary ny asa tanana ao amin’ny faritra atsinanana. Noho ny ady misy eo amin’ny vondron’ny mpandraharaha roa nandray anjara tamin’ny fifidianana tamin’ ireo efatra no mahatonga izany: ny Goept sy ny Geptoa. Man­gina kosa ny […]

Ampangabe : namboly zanakazo 6 000 ny MMRS

Natao, omaly zoma 10 fe­broary ny fambolen-kazon’ ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS). Teny amin’ny fokontany Ambohi­barikely Ampangabe, kaominina Ambalavao, distrika Atsimondrano no nanatan­terahana izany. Miisa 6 000 fototra ny zanakazo nambolena tamina velarantany 3 ha. Nandray anjara avokoa ny mpiasan’ny minisitera foibe sy […]

Varotra Fiara : niampy telo ny vokatra GWM eo anivon’ny CT Motors

Manaraka ny lentan’ny fivoarana eo amin’ny tontolon’ny fiarakodia ny CT Motors. Niampy telo indray ireo karazana fiara amidy ao aminy. Mitohy ny fandraharahana fiara avy amin’ny vondrona Great Wall Motors (GWM) ataon’ny eo anivon’ny CT Motors. Fiara karazany telo anatin’ireo hika farany vokarin’ny GWM indray no azon’ny mpakafia kodiarana efatra […]

Faritra Analamanga: nohavaozina ny drafitra fiomanana amin’ny hamehana

Nisy atrikasa fanavaozana ny drafitra fiomanana ho amin’ny hamehana ho an’ny faritra Analamanga. Tonto­saina mandritry ny roa andro teny Manjakaray, araka ny fampitam-baovao avy amin’ ny BNGRC, tamin’ity herinandro ity izany. Ao anatin’ ny vanim-potoan’ny fahavaratra tanteraka izao ka tsy mbola tara ny fiomanana ny ho amin’izany. Iray foana ny […]