Nandinika ny fananganana ny vondron’ireo tompon’andraikitra hisahana ny fiahiana ara-tsosialy na ny Groupe Thématique de la Protection Sociale (GTPS) eny ifotony ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ao Amoron’i Mania. Nitarika ny fivoriana maika tamin’izany ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina, Rakotonirina Miarisoa Patricia sy ny tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialy, Rivomanana Tsarahita Ghisbert.. Mifototra […]
Auteur/autrice : Adnews
Ambatovy: nanolotra jiro 500 isa
Nanolotra fitaovam-panazavana mandeha amin’ny herin’ny masoandro 500 isa ho an’ireo tokantrano marefo ao amin’ny tanànan’Ampasimbe sy Ranomafana Atsinanana ny orinasa Ambatovy, tamin’ity herinandro ity. Tao amin’ny tanànan’i Tanambao no notontosaina ny fanolorana ireto fanomezana ireto ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy. Tafiditra amin’ny fandaharanasan’Ambatovy ho fampandrosoana ny vondrom-piarahamonina ny hetsika […]
CUA : mpivarotra hani-masaka 40 nahazo mari-pankasitrahana
Mpivarotra hani-masaka miisa 40 teto Antananarivo nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny INTH (Ivon-toeram-pampianarana misahana ny fizahantany sy hotely) omaly. Mpivarotra teo anivon’ny tsenan’ny Mahamasina, Soamanatombo ary Zemaika izy ireo. Niompana amin’ny « securité alimentaire » ny fiofanana nomena azy ireo hoy ny tompon’andraikitra. Nojerena manokana ny fomba atao mba hialana amin’ny ahiahin’ny mpanjifa […]
Tetikasa sekoly telma : mpianatra 164 nisitraka izany teny Alasora
Notokanana ny fotodrafitrasa vaovao eny amin’ny EPP Alasora, afak’omaly. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « sekoly telma » izany. Nisitraka izany ireo mpianatra miisa 164 eo anivon’ny sekoly. Niaina ny haratsian’ ny toeram-pampianarana ny mpianatra sy ny mpampianatra teo aloha, hoy ny talen-tsekoly, Nivoharisoa Marie Larissa. Anisan’izany ny tafo mitete, ny seza sy […]
Oniversiten’Antananarivo: misokatra ho an’ny olon-drehetra ny “American Corner”
Anisan’ny be mpampiasa indrindra ny fiteny Anglisy maneran-tany. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny oniversiten’ antananarivo ny ivontoerana American Center, omaly. “Misokatra ho an’ny olon-drehetra tia sy mankafia teny Anglisy izany”, hoy ny talen’ny fampianarana teny Anglisy eny anivon’ny anjerimanontolo, Andrianarivelo Harilala. Tanjona ny hampiroboroboana ny teny anglisy sy hampahafantarana […]




