Auteur/autrice : Adnews

Covid 19 : 15 ireo voatily ho nitondra ny tsimok’aretina

Toy izao indray ny tatitra mikasika ny tsimok’aretina Covi-19 tao anatin’ny herinandro, 28 janoary hatramin’ny 03 febroary lasa teo. Nahatratra 15 ireo voatily ho nitondra ny tsimok’aretina eto amin’ny Nosy. Mi­tsin­­jara ao amin’ny faritra telo samihafa. Ahitana tranga vaovao miisa 10 ato amin’ny faritr’Analamanga. Te­lo ao amin’ny faritra Atsi­nanana. Roa […]

Rafanomezantsoa Jean Nirina: “Matoa mpandresy dia misy ady natrehana…”

“Miarahaba ny ekipam-pirenena Barea-n’i Madaga­si­­kara aho nahavita dingana goavana. Misy antony maro nahatonga izao fahombiazana izao fa amin’ny fanatanjahantena dia ilaina ny firaisankina sy ny fiombonam-po”, hoy ny filohan’ny Hafari Ma­la­gasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina niarahaba ny Barea-n’i Madagasikara ma­noloana ny zava-bitan’izy ireo ka nahazoana ny laharana fahatelo aty Afrika. Nam­barany fa […]

Toamasina: telo lahy nanendaka mpianatra voasambotra

Nanendaka mpianatra nirava, tra-tehaky ny polisy ny telo lahy nitondra antsy teo am-panaovana ny asa ratsiny tao Tanambao Verrerie, ny harivan’ny asabotsy 4 febroary teo. Niandry ny firavan’ny mpianatra, efa nihaodihaody teny amin’ny manodidina izy ireo. Teo am-panatontosana ny fanaraha-maso ny filaminan’ny tanàna ny polisy tamin’izay. Nikasa handositra ireo olon-dratsy. […]

«Elites LANA» Bordeaux : norombahin-dRandrianasolo Haja ny medaly volamena

Notanterahina, tany Bor­deaux ny asabotsy 28 sy ny alahady 29 janoary lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritr’i Bordeaux, Frantsa, taranja atletisma anaty efitrano «Elites LANA». Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany, ilay malagasy Randrianasolo Hajatiana, atletan’ny US Ta­len­ce. Nifaninana teo amin’ny halavirana 60 m ny tovolahy. Norombahany ny medaly vo­la­mena. Nahavita […]