Toherin’ny fanjakana ny fivarotana ny tanin’ny orinasa iray ao Sahambavy Fianarantsoa. Nivoaka nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahina ny alarobia 1 febroary 2023, ny fanapahan-kevitry ny fanjakana mahakasika ity raharaha ity. Ity orinasa ity izay hanaovan’ny fanjakana malagasy petra-bola 100%. Manana fahefana feno, araka izany, ny fanjakana hanao izany fanoherana […]
Auteur/autrice : Adnews
Antoko TGV : “Tsy ekena ny fanakorontanana”
“Tsy ekena ny fanakorontanana. Izao ny antony: na inona na inona zava-mitranga na sanatria na misy korontana eto, hiakatra ny vidim-piainana avy eo. Ho zakantsika ve izany? Efa tsy tia korontana ny ankamaroan’ny olona”, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, manoloana ny fijoroan’ny vondrona […]
Minisitra Pierre Holder : “Atrehina ny vahoaka sahirana”
“Ny mamolavola tetikasa vaovao tsy mbola nifanarahana sy tsy mbola nisy resaka no tsy atao, fa hiroso amin’ny fiatrehana ny vahoaka sahirana amin’izao fotoana izao”, hoy ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Fanajariana ny tany, Ramaholimasy Pierre Holder, manoloana ny resabe momba ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika tany Vatomandry hoe […]
Fahataperan’ny fe-potoam-piasana: manjavozavo ny momba ny fifidianana ben’ny Tanàna
Sahiran-kevitra ny mpikarakara. Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni ny herinandro teo, tetsy Alarobia fa mbola iadian-kevitra ny momba ny fifidianana ben’ny Tanàna. Efa ho tapitra ny fepotoam-piasan’ireo ben’ny Tanàna, amin’izao fotoana izao. Niaiky ny eo anivon’ny Ceni fa tsy mbola voafaritra ny tetiandro hanaovana fifidianana eny anivon’ny kaominina. Efa mandeha ny […]
Fitsenana ny Barea de Madagasikara : nisy ny torana, zaza very, mamo toaka diso tafahoatra
Niombom-po sy naneho hafaliana ny olona rehetra, omaly tamin’ny fandraisana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Raha teo amin’ny lafiny fitandroana ny filaminana, niantrana teny amin’ireo lalana nandalovan’ny mpilalao hatreny Mahamasina ny mpitandro filaminana. Hentitra ny fitandroana ny filaminana nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Samy nanao izay ho afany koa ny […]




