Auteur/autrice : Adnews

Fandaharanasa Fanarenana: nidina nanara-maso teny am-ponja ny masoivoho frantsay

Nanara-maso ny fizotran’ny fandaharanasa Fanarenana ny masoivoho frantsay sy ireo fikambanana miahy ny maha olona. Nidina teny amin’ny fonjan’Antanimora izy ireo. Notanterahana ny herinandro teo ny atrikasa andiany voalohany nandinihana ny tontolon’ny fonja eto Madagasikara. Nojerena niaraka tamin’izay ny fampivoarana ny fepetra fitanana sy fiahiana ny maha olona ao am-ponja, […]

Fitantarana angano : nodimandry i Paul Congo

Maro ireo nahatsiaro ny fa­hazazany vao maheno ny anaran’i Paul Congo… araka ny vaovao nampitain’ny fianakaviany, nodimandry ny marainan’ny asabotsy teo tany Antsiranana i Jaora­voana Paul. Anarana sy feo tsy zo­viana amin’ny maro, satria dia raiki-tapisaka ao ampara-ha­toka ireo angano notantarain’i Paul Congo. Nanomboka tao amin’ny radio Varatraza Antsi­ranana, avy […]

Guy Pradel : misokatra ny fampirantina

Tontosaina anio ny fampisehoana haikanto ho amin’ny varotra fampiarantina ataon’ny Guy Pradel. Eny amin’ny Institut Français de Madagas­car na IFM Analakely ny 7 hatramin’ny 25 febroary 2023 no hanatanterahina ity varotra fampirantina ity. Ity hetsika ity no entina hanokafana izay varotra fampirantina izay. Tombony manokana ho an’ny Malagasy, indrindra ny […]

Tontosa ny seho goavana… : namoaka DVD ho tsan­gambato ny TMI

Fararanon-danonana ny teny Mahamasina, omaly… Ankoatra ny tao amin’ny kianjabe mantsy, hipoka olona ihany koa ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina, tonga nanotrona sy njery ny seho goavana notontosain’ny Tanora Masina Itaosy. Seho izay nentin’izy ireo namaranana ny fankalazana ny faha-30 taona io, ka notontosain’izy ireo ny fanamby amin’ny hampiavaka […]

“RDJ Mozika”: Mad Max, “Mpanakanton’ny taona 2022”

Zava-dehibe hoan’ireo mpanakanto ny fankasitrahana… Mandrisika azy ireo hanome ny tsara kokoa hatrany ny antom-pisian’ny “RDJ Mozika”. Hoan’ny andiany 2022, nibata ny sokajy misongadina indrindra i Mad Max. “Mpanakanton’ny taona 2022”. La­san’i Mad Max izay anaram-boninahitra anisan’ny nandrandrain’ireo mpanakanto maro izay, nandritra ny “RDJ Mozika 2022”. Tontosa ny alin’ny zoma […]