Auteur/autrice : Adnews

Ambohimanatrika Tanjombato : Nahitana fatin-jaza tsy nisy lohany

Nihoron-koditra ny mponin’i Tanjombato, omaly. Nisy nanary teny Ambohimanatrika ny vatana mangatsiakan’ny zazakely iray. Nihoson-dra sy tsy nisy lohany ny razana. Tsy nisy loha intsony sady mbola niosin-dra ny tendan’ny zaza hita faty teny Ampamoloana, fokontany Ambohimanatrika, kaominina Tanjombato, omaly maraina. Nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa teny an-dalana ny mpianatra hamonjy sekoly […]

Fomba Sakalava Menabe: Hatao ny 20-28 aogositra ny « Fitampoha 2026 »

Tontosa soa aman-tsara ny faran’ny herinandro teo ny «Lohavogny 2026 ». Natao tao amin’ny zomban’Andriami­sara izany, izay notarihin’ny Am­panjaka Kamamy Geor­ges. Fomba nentim-paharazana izay notohizan’ny taranaka izy ity any Menabe, izay natao indrindra hanomanana ny « Fitampoha » manaraka, ka nanaovana ireo fanao toy ny famonoana omby, sns. Nivo­aka nandritra ny «Loha­vogny» ihany […]

Tarika Kiaka : Mipetraka amin’ny lazany, 40 taona aty aoriana

Nangoro-mainty ny lapa… Mpankafy rock, fa indrindra mpiondana ny tarika Kiaka ireo nameno azy, omaly. Mbola mitoetra ny lazan’ny tarika. Niteny ny traikefa. Trai­kefa niampy talenta. Talenta be mpankafy ka hipoka ny Lapan’ny Fana­tan­jahantena Mahamasina, oma­ly. Tao ny lava volo, mitafy mainty ny ankabeazany, misalotra hoditra hatrany am-paladia… Tsy tanora […]

INDRAY MIJERY

Hotontosaina ao amin’ny UCM Ambatoroka ny Forum de la Psychologie izay karakarain’ny Association Arche ny 12 sy 13 jona ho avy izao. Hetsika maro no hatolotra ny mpanotrona izay mifototra amin’ny fahasalaman’ny saina. « De moi à l’autre : comprendre le conflit pour mieux vivre ensemble » ny lohahevitra ifantohana. Mandritra ny […]