Ho fanamafisana ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fampanatonana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka, notanterahina tao amin’ny CHRR Ambositra ny hetsika fitiliana maimaimpoana ny areti-maso katarakta arahin’ny fandidiana, naharitra telo andro, tao amin’ny CHRR Ambositra. Hetsika mitondra fanantenana sy fahasitranana mivantana ho an’ireo marary indrindra ireo efa niaina fahasahiranana […]
Auteur/autrice : Adnews
CHU Analankinina : Ivontoerana fitsaboana olona marary saina
Niakatra 380 isam-bolana taorian’ny rivodoza Gezani ny isan’ireo marary saina. Nahatonga sy nitarika rarin-tsaina an’olona marobe iny trangana rivodoza iny, izay nahasimba ny fotondrafitrasa maro sy trano fonenan’ny olon-tsotra teto Toamasina. Saika vehivavy ny ampahany betsaka amin’ireo marary, raha ny fanazavana manokana nentin’ny dokotera, Ratobimanankasina Lanja, misahana manokana ny fitsaboana […]
Lalambe migodana : Kaominina roa no hisitraka fotodrafitrasa maro
Hetsika sosialy roa no nataon’ny orinasa Samcrete mahakasika kaominina roa, izay voakasiky ny tetikasa fanamboarana ny lalambe : ny kaominina Ambohimanga Rova sy ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy. Ny EPP Ambodifasina no anisan’ny hatao sekoly fitaratra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ho fitaratra amin’ireo sekoly manodidina na miahy tena na miankina […]
VAOVAO TAMBATRA
Nitombo 5 000 Ar avy isaky ny tavoahangy ny vidin’ny entona gazy. Noho ny fampiharana ny tatao 20% avy amin’ny hetra TVA no nahatonga izany, fa tsy mbola noho ny fidangan’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Lasa 74 000 Ar ny vidin’ny tavoahangy milanja 9 kilao, raha 69 000 Ar teo aloha. Lasa […]
Filatex Energies : Angovo avy amin’ny rivotra 5MW any Antsiranana
Mandroso ny fananganana ny fotodrafitrasa mamokatra herinaratra avy amin’ny rivotra, «éolien» any Antsiranana. Tompon’antoka amin’ny fametrahana azy ny orinasa Filatex Energies, izay fotodrafitrasa faharoa eto Madagasikara. Voalohany kosa ny any Taolagnaro, an’ny orinasa QMM, izay efa mihodina tanteraka. Miisa enina ny andrim-by lehibe napetraka any Antsiranana. Hamokatra herinaratra manana tanjaka […]




