Auteur/autrice : Adnews

Taona 2022 : nihena 1 tapitrisa ny trangan’aretina tazomoka

Nanodidina ny 2.400.000 ireo trangan’aretina tazomoka hita ny taona 2021. Ni­hena hatramin’ny 1.400.000 teo ho eo izany ny taona 2022. Io no tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­ho­aka mikasika ny aretina tazomoka, omaly. Maro ny ezaka natao nahazoana ny vokatra. Tao ny fizarana lay misy odimoka maharitra (Mid) tamin’ireo distrika 101 manerana […]

Fihotsahan’ny tany: tokony hahatsapa tena ny mponina

Taorian’ny fametrahana saina mena 400 teny amin’ireo fokontany 15 voakasiky ny mety ho fihotsahan’ny tany na vato eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana sy ny manodidina (eto Anta­na­narivo) .Izay natao ho fampatsiahivana ny mponina fa misy ny tandindon-doza, ma­nara-maso ny fivoaran’ny zava-misy eny an-toerana ny teknisianina. Ny rano mitsika any ambanin’ny tany eny […]

Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka: hatsaraina ny kalitaon’ny fandraisana eny amin’ny hopitaly

Manoloana ny lesoka amin’ny fandraisan’olona, izay mampitaraina ny maro, eny amin’ny hopitaly sy tobim-pahasalamana dia nanao fanamby ny hanao ezaka manokana mihitsy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mahakasika izany amin’ity taona 2023 ity. Nilaza ny minisiteran’ ny Fahasalamam-ba­ho­aka fa hanao eza­ka goavana amin’ny fa­na­tsarana ny kalitaon’ny fandraisana eny anivon’ny ho­pitaly sy ireo […]

Tenisy ambony latabatra: miisa fito ireo ligy hiady ny lohany

Notanterahina, omaly, ny lanonam-panokafana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra, taona 2022. Fifaninanana izay natao teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Miisa fito ireo ligy handray anjara, toy ny ligin’Atsinanana, Alao­­tra Mangoro, Analaman­ga, Itasy, Vakinankaratra, Am­­bositra ary Matsiatra Am­bony. Tsiahivina fa klioba 42 avy amin’ireo ligy fito […]