Notanterahina, omaly, tany Aostralia ny andro faharoa amin’ny fifaninanana taranja tenisy “United Cup”. Faharesena faharoa indray no azon’ ilay Espaniola, Rafael Nadal, rehefa niondrika teo anatrehan’ ilay Aostralianina, Alex De Minaur, tamin’ny seta 2 no ho 1 ( 3/6, 1/6, 5/7). Fihaonana natao tao Melbourne. Mihintsana avy hatrany izany ity […]
Auteur/autrice : Adnews
Firariantsoan’ny mpitantana fanatanjahantena
Rakotozafy Rosa, Tale jeneralin’ny spaoro, MJS Miarahaba ny mpitantana sy mpanao fanatanjahantena rehetra. Mirary fahombiazana tanteraka, indrindra amin’ny fiatrehana ireo lalao iraisam-pirenena isan-karazany ho an’ny taona 2023 izay hahitana ny lalao afrikanina, ny “Jeux de la Francophonie” ary indrindra ny Lalaon’ny Nosy izay hatao eto Madagasikara. Anaty fifehezantena tanteraka, fahazotoana […]
Kianja Rabemananjara: ho vita amin’ny fiando-han’ny volana febroary
Hiverina ao amin’ny kianja Rabemananjara, ny lalao rehetra ataon’ny Fosa Jr sy ny Tsaramandroso Formation, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara «Orange Pro League», amin’ny fiandohan’ny volana febroary 2023. Io no nambaran-dRabezafy Fabien, lefitra faharoa ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Mahajanga, sady mpikambana amin’ny fitantanana ny kianja Rabemananjara. Fantatra […]
Barea Chan 2023 : 34 ny mandrafitra ny delegasiona lasa any Tonizia
Niala teto Madagasikara , omaly tamin’ny 1 ora maraina, ho any Tonizia, ny Barea. 34 ny isan’ireo olona mandrafitra ny delegasiona, ary ny 23 amin’izy ireo mpilalao. Hiatrika ny lalao roa, fanomanana ny Chan 2023, ny 6 sy 9 janoary, no anton-dia amin’izany. Niainga omaly tamin’ny 1 ora maraina ho […]
Taom-baovao : maro ireo vehivavy very poketra tany am-piangonana
Maro ireo renim-pianakaviana sy tovovavy nitaraina ho very poketra tany am-piangonana nandritra ny fotoam-pivavahana ny fiandohan’ny taona vaovao ny alahady 01 janoary 2023 teo. Ireo fiangonana lehibe teto an-drenivohitra no tena nahazoana fitarainana sy tatitra manokana momba izany. Nandritra ny fotoana fanatazana ny rakitra sy fandraisana sakramentana no tena nanaovan’ireo […]




