Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, tetsy Anosy, ny jobily faha-50 taonan’ny MFM. Anisan’ny nitondran’izy ireo ny heviny ny momba ny fifidianana sy ny fiainam-pirenena. Hentitra ny filoha nasionaly vonjimaika, Rakotovazaha Olivier, manoloana izany. “Mila diovina aloha ny tokontany ilalaovana vao miresaka fifidianana isika mba tsy ahatongavana amin’ny ra aman-driaka sy fifandonana”, […]
Auteur/autrice : Adnews
Behoririka : lehilahy iray maty, voaroba ny 130 tapitrisa Ar
Nirefodrefotra ny basy tetsy Behoririka, omaly. Nanafika atoandro be nanahary tokony ho tamin’ny 11 ora teo ny jiolahy roalahy. Vokany, lehilahy iray 32 taona maty voatifitra. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola mitentina 130 tapitrisa Ar. Mpiasa amina “cash point” iray eny an-toerana ity lasibatra. Avy naka vola teny amin’ny banky […]
Mifety amim-pahamendrehana
Rahampitso no hivalona tanteraka ny taona. Samy efa nahavita ny jery todika sy ny tomban’ezaka avokoa angamba! Mety efa vita hatramin’ny drafitrasa amin’ny taona ho avy aza. Mba nanao ahoana tokoa re izay ny an’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo? Niaraha-mahalala ny fahasahiranana isan-karazany, indrindra ny olana sosialy sy toekarena. […]
Voatondro ho nanafika Cash-point : miaramila telo maty an-drano tetsy Ikopa
Nifanena tamin’ny fokonolona, nanenjika mpanafika Cash Point teny Itaosy ny miaramila efa-dahy, hamonjy fodiana. Niharan’ny tora-bato, niala ny lakana niampitany izy ireo. Maty an-drano ny telo. Mpiasa amin’ny Cash point iray kosa, no voatifitra omaly, tetsy Behoririka. Fanafihana cash-point, niafara tamina fahafatesana miaramila telolahy tetsy anatin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny […]
Ambositra : mpivarotra roa maty, jiolahy roa lavo
Nitrangana fanafihana tao amin’ny fokontany sy kaominina Fahizay, distrikan’Ambositra, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Notafihana andian-jiolahy nirongo basy tamin’izany ny mpivarotra iray eo an-toerana. Vokany, maty voatifitr’ireo mpandroba ny ramatoa tompona tsena sy ny lehilahy iray hafa namonjy voina. Lasan’ireo mpanafika ny vola rehetra sy ny entana maro. Raikitra […]




