Auteur/autrice : Adnews

Raharaha Ankatso II: sazy mihantona 2 taona sy lamandy 15 tapitrisa Ar ny talen’ny CrouA

Nomelohin’ny fitsarana sazy mihantona roa taona sy lamandy 15 tapitrisa Ar ny talen’ny CrouA, nandritra ny fotoam-pitsarana mikasika ny raharaha fandravana tamboho teny Ankatso II. Niakatra fitsarana, omaly, tetsy Anosy ny raharaha fandravana tamboho, anenjehana ny talen’ny CrouA. Nivoaka ny didy ka nomelohin’ny fitsarana sazy mihantona roa taona sy lamandy […]

« Noelin’ilay fanjakana »: Seho miaraka amin’ny Sa.mi.a

Mitohy hatrany ny fankalazana ny Krismasy 2022 ao amin’ny FJKM Am­bodihady vaovao Am­bohi­manarina. Mbola ha­natanteraka izany anio ha­riva, manomboka amin’ny 6 ora sy 20mn ny rantsana Sekoly Alahady Mihira Ambodihady (S.a.mi.a). Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana hotanterahin’ireto ankizy sy tanora ireto eny an-tsehatra ny fiantsana tononkalo, ny tsianjery, ny « commédie musicale »… […]

« Réveillon 2022 » : Maro isafidianana ny tolotra homen’ireo mpanakanto

Misy maro, arakaraky ny fahefa-manaon’ny tsirairay ny fety hamaranana ny taona 2022 sy handraisana ny 2023. Ankoatran’ireo hisafidy ny hijanona an-trano miaraka amin’ny fianakaviana, ireto misy tolotra maromaro iarahana amin’ireo mpanakanto malaza ,ny alin’ny 31 desambra. CCI Ivato –“Golden Hour” Anisan’ireo fety malaza indrindra hamaranana ny taona ny “Golden Hour”, […]

Hatsikana: hisy ny seho “Stand Up” hamaranana ny taona

Hanatanteraka fampisehoana “Stand Up”, eny amin’ny “Madagascar Un­der­ground” Antsa­ha­vola, ny asabotsy 31 desambra 2022, i Raytra Belaw’Yck sy ny namana mpanao hatsikana miaraka aminy. Hanomboka amin’ny 4 ora hariva ny seho. Fam­pi­sehona iarahan’ny “Gasy Stand Uppers” sy ny “Be tige Comedy” izay samy vondrona mpanao “Stand Up”. Hiverina indray ny […]

Nomamoina, nobaboina, nobadoina: norarana fatratra ny fisotroana toaka

Taorian’ny fidiran’ny vahiny teto Madagasikara, maro ny zavatra niova. Saika nahitana izany avokoa ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Amin’ny ankapobeny, nahita ny tsy fahita, naheno ny tsy faheno, nihinana ny tsy fihinany, nisotro ny tsy fisotrony. Nisongadina be io isaky ny mitotorebika amin’ny fetim-bahiny… Nibahan-toerana ny fibobohana toaka ! Raha ny voalazan’ny tantara, […]