Auteur/autrice : Adnews

Kitra U19 – Amboara rezionaly: hifantenana izay handrafitra ny Barea Kely

Ho fiatrehan’i Madagasi­kara ny “Cosafa 2023”, ho an’ny sokajy zandriny U20, hisy fifaninanana amboaram-paritra, ho an’ny U19. Hi­fantenana izay handrafitra ny Barea de Madagascar, amin’izany lalao izany, ny antony. Handray anjara amin’ity amboaram-paritra ity ireo faritra 22. Hozaraina amin’ny kianja miisa valo izy ireo. Hanomboka ny 6 – 8 janoary […]

Basikety 2022 : nahazo tapakila roa amin’ny “Mondial”

Taranja nisongadina ta­min’ity taona 2022 ity ny taranja basikety malagasy, indrindra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tao anatin’ny 3 volana monja, tapakila roa hiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny taona 2023. Voalohany amin’izany ny Ankoay zazalahy U18, nandrombaka ny tompondaka lefitra tamin’ny Afrobasket, natao teto Mada­gasikara ka hiatrika ny “World […]

Malagasy Rugby: niarahaba an-dRakotomalala Marcel ny filohan’ny Rugby Afrique

Taorian’ny fahavitan’ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny Malagasy Rugby, nankato ny latsa-bato ary niarahaba an-dRakotomala Marcel, tamin’ny nahalany azy indray ny filohan’ny Rugby Afrique ary nanasa azy ho atsy Afrika Atsimo, hanatrika ny fivoriambe. Nandefa taratasy fiarahabana ho an-dRa­kotomalala Marcel, tamin’ny fahalaniany indray hitondra ny Malagasy Rugby, ho an’ny […]

EMMO/Nat : miantso fifanomezana tanana

Nifampitaona teny amin’ny foibe fibaikoana ny zandarimariam-pirenena Toby Ratsimandrava ny Emmo/Nat ivondronan’ny zandarimariam-pirenena, ny Tafika Malagasy ary ny polisim-pirenena omaly. Nisy ny tomban’ezaka momba ny fandriampahalemana sy ny fi­laminana. Nitarika izany ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (COMGN), ny Jly Rakoton­dra­za­ka Andry ka nanamafisany fa hanao hetsika iraisana ireo mpitandro filaminana mba hahafahan’ny […]

Jly Rakotonirina Richard : “Mijoro miaro ny safidim-bahoaka hatrany ny Foloalindahy”

“Mijoro miaro ny safidim-bahoaka sy ny lalàmpanorenana ny Foloalindahy. Izy ireo no miantoka ny fandriampahalemana eto amin’ ny tany sy ny firenena. Noho izany, tsy atao ambanin-javatra ny asa sy andraikitra iantsorohana amin’izao an­katoky ny fety izao mba ha­merenana ny fitokisan’ny vahoaka ny Foloalindahy”, hoy ny minisitry ny Fiaro­vam-pirenena (MDN) […]