Miditra amin’ny andiany faha-39 ny “Prix du Jeune écrivain”. Efa misokatra ny fisoratana anarana ary hifarana ny 2 febroary 2023. Fifaninanana anolorana amboara ny tanora mpamorona asa soratra, amin’ny teny frantsay. Tanora 16 hatramin’ny 26 taona no afaka mandray anjara. Ny mpandresy tamin’ny andiany teo aloha kosa anefa afaka mandray […]
Auteur/autrice : Adnews
Fiahiana sosialy: manana tolotra ara-pahasalamana maro ny Afafi
Nampahafantatra ny tolotra ara-pahasalamana eo aminy, ny eo anivon’ny Antoka ho an’ny fahasalaman’ny fianakaviana (Afafi), omaly, tetsy Anosy. Manakaiky vahoaka izy ireo amin’izany. “Tsy mitady tombony izahay fa manamora ny fahazoan’ny fianakaviana marefo ny fitsaboana lavorary. Miezaka mampihena ny sakana eo amin’ny vola, saina sy sosialy amin’ny fitsaboana”, hoy ny […]
Seces : “Mananontanona ny mosary”
Mbola latsaky ny 10% amin’ny toeram-pambolena isan-taona no voavoly vary any Alaotra amin’izao fotoana izao, hoy ny fanambaran’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka Seces, sampana Antananarivo, omaly. Mihantona ny rotsak’orana any an-toerana vokatry ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiakaran’ny hafanan’ny tany. Manify ny tahirim-bary any Antsihanaka satria tafakatra 800 Ar ny vidin’ny […]
Herisetra an-tokantrano : tonga mitaraina eny Mahamasina koa ny lehilahy
Telo taona no niorenan’ny ivontoerana miady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy eny Mahamasina, niainga avy amin’ny finiavan’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy, izay masoivohon’ny ady amin’ny herisetra eto Madagasikara sady filohan’ny fikambanana Fitia, misahana asa sosialy sy fanohanana ny marefo. Nandritra izay fotoana izay, nahatratra 7 162 […]
Anjerimanontolo : tsy ampiharina ny lalàna
Mivoatra ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa olana ny tsy fivoaran’ny lalàna sady tsy misy fampiharana izay lalàna vaovao havoaka. Takina ny fampivoarana ny lalàna manan-kery sy ireo voka-pikarohana voarakitry ny bokin’ny mpikaroka mpampianatra sy ny mpianatra eny anivon’ny anjerimanontolo ho azo hampiharina hitondrana fivoarana ho […]




