Auteur/autrice : Adnews

Fiakaran’ny vidim-piainana: Mihena ny fahefa-mividy sy ny fanjifana ny entana

Amin’ny ankapobeny, miakatra ny vi­din-javatra rehetra amin’ny tany iray ary mitohy sy ma­haritra. Tam­bin’ izay, mihena ny fahefa-mividy, mihakely na tsy voavidy intsony ny tolotra misy raha oharina amin’ny teo aloha. Tokony ho voalohany manome aina ny toekarena malagasy ny fambolena sy ny fiompiana atao eto an-toerana. Raha nitombo kely […]

Serasera sy kolontsaina : Ho mpiara-miasa akaiky i Egypta

Efa nisy ny fiaraha-miasa hatramin’izay, saingy nohama­fisina izany. Tonga nitsidika ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, omaly, tetsy amin’ny birao fiasany etsy Nanisana, ny masoivohon’i Egypta miasa eto, Rabab Said Abdou Abdelhadi. Niompana tamin’ny lafiny serasera sy ny kolontsaina ny dinika teo amin’ny roa tonta. Anisan’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanatanteraka fanazarantena sy fiofanana ho an’ny mpanazatra ny eo anivon’ny ligin’Analamangan’ny taranja kung fu, ny faran’ny herinandro teo. Nitarika izany ny Grand Maitre Avoko. Ny faritra Itasy indray no hisitraka ity fanazarantena sy fiofanana ity amin’ny fotoana manaraka. Hotanterahina ny 25 janoary izao kosa ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao, […]