Auteur/autrice : Adnews

Toamasina : Valo lahy voasambotra

Nosamborin’ny zandary ny lehilahy miisa valo voasaringotra amin’ny halatra vy ao Toamasina, afakomaly. Naha­ray loharanom-baovao momba ny fisiana andian’olona mikasa hangalatra vy tao amin’ny dépôt ao Betainomby, kaominina Toamasina II, ny mpitandro filaminana, ny 24 aogositra lasa teo. Nanao vela-pandrika ny ekipan’ny zandary ka niatrana tamin’ny toerana voatondro. Sarona nandritra […]

Toamasina II : Mitokona ny fokonolona

Nisy naratra tamin’ireo mpitokona mitaky ny hialan’ny ben’ny Tanàna ao Toamasina II sy ny tomponandraikitry ny Birao ifotony ny fananantany, omaly. Nanomboka ny alarobia 26 aogositra, nidina an-dalambe nilanja sorabaventy ny fokonolona avy amin’ny fokontany voakasika, toy ny ao Anta­nandava Tsarahonenana sy Ambalamanasy. Torohin’izy ireo ho mangalatra ny tany sy […]

Lozam-pifamoivoizana nandritra ny roa andro : Olona roa namoy ny ainy, telo naratra

Misesisesy ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato. Afakomaly sy omaly, telo ny voina niseho teto Antananarivo sy ny manodidina. Olona roa no namoy ny ainy ary am-polony naratra. Vehivavy iray 27 taona, maty tsy tra-drano niharan’ny lozam-pifamoivoizana tetsy By-Pass, ny alin’ ny alarobia hifoha omaly alakamisy. Nitondra moto marika RS izy […]

Hetsika ara-pahasalamana – IMM: Ankizy 25 hatao échographie maimaimpoana

“Alahady ho an’ny Fiaina­na, fahasalaman ho an’ny fiarahamonina 100%”. Io no tarigetran’ny hetsika ara-pahasalamana tanterahin’ny Institut médical de Madagascar (IMM), ny alahady izao. Ankizy tsy salama, vao teraka hatramin’ny 12 taona, miisa 25, mila fitarafana maika ho fanaraha-maso ny fahasalamany na ho vonjy aina ho azy ireo no hatao échographies […]

INDRAY MIJERY

Nahatratra 5 355 ny trangana Mpox niseho, 2 598 ireo sitrana ary 23 namoy ny ainy, nanomboka ny 18 desambra 2025 hatramin’ny 25 aogositra lasa teo. Enina ny tranga voamarina ny 25 aogositra, 74 ny distrika voakasika. Nahatratra 241 ny tranga voamarina tao anatin’ny efatra herinandro farany, araka ny voalazan’ny […]