Auteur/autrice : Adnews

Tsy hofoanana aloha hatreto : hotanterahina ny 20 jona 2023 ny CEPE

Hatao ny talata 20 jona 2023 ny fanadinana CEPE. Ho­tanterahana ny alatsinainy 3 jolay 2023 ka hatramin’ny alakamisy 6 jolay 2023 kosa ny fanadinana BEPC, araka ny didim-panjakana laharana 32731/2022/MEN navoakan’ ny minisiteran’ny Fanabe­azam-pirenena ny 5 desambra lasa teo izay mifehy ny tetiandro hanatanterahana sy fisokafana ary fikatonan’ny fisoratana anarana […]

Fiakaran’ny hafanan’ny tany : manana sehatrasa efatra ny Orange Madagascar

Marihina isaky ny 8 desambra ny Andro maneran-tany momba ny toetr’andro. Olana lehibe sedrain’ny firenena rehetra ny voka-dratsin’ ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra ny fiakaran’ny hafanan’ny tany vokatry ny fisi­an’ny entona mangeja hafanana be loatra manimba ny sosona ozona. “Efa manana sampanasa efatra ny orinasam-pifandraisana Orange iadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro indrindra […]

Tsenan’Analakely : nanadio ny lalana ny mpivarotra sy ny kaominina

Toy ny fanaon’ny fikambanana isam-bolana, nisy ny fanadiovana faobe natao nanomboka teny amin’ny Zaimaika hatreny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny omaly 6 desambra. Ho fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina sy ny fahatsapan’ny fikambanan’ny mpivarotra eny amin’ny faritr’Analakely (Fimpizoa) ny anton’izany. Hetsika no­tan­terahina niaraka tamin’ny kaominina Antananarivo Re­ni­vohitra (CUA) izay ny manohana […]

Nitokona ny mpianatry ny ENS: raikitra ny doro kodiarana tetsy Ampefiloha

Mitaky ny handraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana ny mpianatra “normaliens” vita fiofanana. Nanapa-dalana tetsy Ampefiloha izy ireo, omaly. Nanomboka omaly ary tsy hijanona intsony ny hetsika fitokonana raha tsy tafavoaka ilay décret vitan’ny tomponandraikitra re­hetra sonia manambara fa hatao laharam-pahamehana ny fandraisana ny mpianatra nivoaka tao amin’ny Ecole normale supérieure […]