Anisan’ny lalana tena ratsy tsy azo andehanan’ny fiara intsony ny avy eo Fandriana mankany Miarinavaratra. Hany afaka mandeha amin’ity lalana ity sisa ny moto. Nanao ezaka ihany ny fokonolona sy ny olona tsara sitra-po nandravona ny lalana tamin’ny alalan’ny angady ny volana janoary teo, saingy very maina izany, raha vao […]
Auteur/autrice : Adnews
Sambo vaventy: mpizahatany 1.608 tonga any Toamasina
Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fizahantany eto Toamasina, taorian’ireny krizy ara-pahasalamana Covid-19 nandritra ny roa taona ireny. Tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny alatsinainy13 febroary teo ny sambo vaventy Costa Deliziosa, nitondra mpizahatany vahiny miisa 1.608. Ahitana teratany frantsay, alemà, espanola, anglisy ary italiana, ireto farany izay maro an’isa indrindra. […]
Tetikasa Tatom : hitarina ny seranan-tsambon’i Toamasina
Niara-nidinika mikasika ny tetikasa Tatom (Antananarivo-Toamasina, Madagasikara) ireo minisitera efatra, omaly, teny Anosy. Nahitana ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao, minisiteran’ny Fanajariana ny tany, minisiteran’ny Fitaterana ary ny minisiteran’ny Asa vaventy. Tanjona ny hanajariana ny fitaterana sy ny tanànan’Antananarivo, Toamasina ary ny tambajotra Antananarivo- Toamasina. Nandinika ny fanitarana ny seranan-tsambon’i […]
Varotra lavanila: tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana
Nitondra fanazavana momba ny lavanila ny minisitry ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, omaly, tao Ambohidahy. Tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana na misy ihany aza ireo mpandraharaha mpanondrana manao antsojay ny vidiny. Mandalo krizy ny lavanila malagasy. Tsy mividy lavanila voaomana ny mpandraharaha nahazo fankatoavana (agréement) […]
Andron’ny mpifankatia : samy nanana ny fankalazana
Isan’andro ny fetin’ny mpifankatia. Fa nanao hetsika fahatsiarovana amin’ny maha fankalazana izany ireo mpifankatia nanontaniana. “Nanomana fanomezana ho ahy ny vadiko vao nifoha maraina”, hoy i Toky. Nilaza izy fa tsy nanam-po izany fihetsika nataon’ny vadiny izany. “Tsara ny fitia mifamaly ka noentiko tany amin’ny toeram-pisakafoana iray ny vadiko mba […]





