Miara-miasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA) sy ny Fandaharanasa iraisam-pirenena ara-tsakafo (Pam). Hapetraka ny bankin-tsakafo hanamafisana ny fahaiza-manao momba ny fanjarian-tsakafo. Hampifandraisina ny sehatry ny fambolena sy ny fanjarian-tsakafo. Antony, ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sady entina hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Io no anisan’ny nivoitra, nandritra ny […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Niainga ho any Libreville, Gabon, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny delegasionina niaraka aminy. Fitsidihana arak’asa no hataon’izy ireo. Anisan’ny lehibe ny fihaonana amin’ny filohan’i Gabon, i Brice Clotaire Oligui Nguema. Eo koa ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana ho amin’ny tombontsoa iombonan’ny firenena roa […]
Minisitry ny Fitsarana: “Fanakorontanana no anenjehana ny depiote Rajerison A.”
“Tsy ny fanehoan-kevitra nataony no anenjehana ny depiote Rajerison Antoine, fa noho ny mahavoarohirohy azy ao anatina famatsiam-bola fanakorontanana eto amin’ny firenena”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, afakomaly, manoloana ny fanenjehana ny depiote voafidy tany Arivonimamo, Rajerison Antoine. Mba hahazoana manao […]
Manahirana ilay raha
Tena tsy hay ny andraisana ity raharaham-pirenena ankehitriny ity. Izay olona ahina ho kandidà filoham-pirenena sy hoe mamim-bahoaka dia voapaingotra amin’ny raharaha maloto avokoa. Manenjana mafy ny tompom-pahefana ho fanenjehana azy ireny. Tsy misy resaka lalàna izany eo, fa samy amin’ny handroritany azy. Manao izay fomba hifehezany ny eo am-pelatanany […]
Amnesty International : “Tokony havoaka eny Tsiafahy Rabetsaroana Sylvain “
Misy manara-maso ny toe-draharam-pirenena eto Madagasikara, indrindra ny fanajana ny zon’olombelona. Takin’ny Amnesty International ny hamoahana an-dRabetsaroana Sylvain any Tsiafahy. “Ao anatin’ny fanenjehana nanomboka tamin’ny 14 oktobra 2025 amin’ireo tomponandraiki-panjakana teo aloha, taorian’ny fiovam-pitondrana, ny loholon’i Madagasikara teo aloha sady efa kandidà ho filohan’ny Repoblika, Rabetsaroana Sylvain, amin’izao fotoana izao”. […]




