Nifarana omaly, tetsy amin’ny minisiteran’ny Fiompiana, Ampandrianomby, ny atrikasa lehibe natao hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, tontolo iainana, fiompiana ary toetr’ andro (One Health). Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny tambajotra “Sega-One Health” sy ny tetikasa “Sécurité sanitaire indopacifique” (SSIP), vatsian’ny AFD ary tanterahin’ny COI izy io. Iarahana […]
Auteur/autrice : Adnews
DPVAC-MCC : Mpilatsaka an-tsitrapo sy mpianatra 700 nanadio teny Ivato
Tetsy amin’ny zaridaina Mamory, kaominina Ivato, no nanamarika ny Andro iraisam-pirenena hiarovana ny tontolo iainana ireo mpilatsaka an-tsitrapo, notarihin’ny Fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny mpilatsaka an-tsitrapo sy ny fanentanana eny ifotony, ao amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotovao Fanorenantsoa. Mifanindran-dalana amin’ny Taona ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo rahateo izany. Taorian’ny […]
Fahasalamana : 1,1% ny fihanaky ny Sida ary 1,8% ny sifilisy
Nampahafantarina ny herinandro teo ny valin’ny fanadihadiana nasionaly momba ny tahan’ny fihanaky ny VIH sy ny sifilisy eo amin’ireo vehivavy bevohoka tonga tamin’ny fizaham-pahasalamana voalohany mandritra ny fitondrana vohoka (CPN). Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa 1,1% ny tahan’ny fihanaky ny VIH ary 1, 8% ny an’ny sifilisy raha ny salanisa […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina anio sabotsy tontolo andro, etsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, ny andiany fahadimy amin’ny “Iray isika eny an-kianja”. Fifaninanana ara-panatanjahantena sy kolontsaina, hifaninanan’ireo mpiasa amin’ny haino vaky jery. Taranja telo no hifaninanana dia ny tsipy kanetibe, ny baolina kitra lalaovina olona 7 ary ny basikety iarahan’ny lahy sy vavy. Norombahin’ny ekipan’ny […]
Tsipy kanetibe – Mada 2026 : 270 ireo ekipa mifaninana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Kianjan’ny Boulodrome Ankatso, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, ho an’ny olon-droa miaraka. Araka ny fanazavana voaray teny an-toerana, mahatratra 270 ireo ekipa mandray anjara amin’izany ary nahatonga solontena avokoa ireo ligy 12 mandrafitra ny federasionina. Anisan’izany ny ligin’i Analamanga, Vakinankaratra, […]




