Notsiahivin’ny depiote voafidy tao Arivonimamo, Rajerison Antoine, fa herintaona aty aoriana, mbola tsy misy tondrozotra sy daty mazava momba ny fakan-kevitra nasionaly, ny fitsapankevi-bahoaka ary ny fifidianana. « Aiza ny fanarahamason’ny HCC amin’izany ? Tsy tokony ho lasa tetezamita tsy misy fiafarana ny Fanavaozana », hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny antony nametrahany […]
Auteur/autrice : Adnews
Aza mamahan-dalitra sahady
Miditra amin’ny vanim-potoana fanaovana tohatra fiakarana indray aloha izao Ramalagasy. Indrindra amin’ity resaka antoko, fikambanana, vovonana miseho lany etsy sy eroa ity. Mihazakazaka ny fiarahana etsy sy eroa. Mahavita fanamiana manokana amin’ny endriny samihafa anaty fotoana fohy. Mirentirenty ery ny sorabe marevaka, hisintomana ny mason’ny Filohan’ny fanavaozana mivady sy […]
14 oktobra 1958 – 14 oktobra 2025 : Roa sosona ny fankalazana ny fetin’ny Fahafahana
Tsiaro roa sosona no nankalazaina tany Antsohihy, omaly. Ny 14 oktobra 1958, nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny 14 oktobra 2025, nijoroan’ny fitondrana Fanavaozana ny Repoblika. Kisendrasendra? Ny 15 oktobra 1958, ny ampitson’ny 14 oktobra, no nofoanan’ny fanjakana frantsay ny lalàna 6 aogositra (loi d’annexion) nanambara fa zanatany frantsay i Madagasikara. […]





