Tontosa tany Antsirabe ny andiany faha-5 tamin’ny seminera nasionaly ho an’ny atleta, ao anatin’ny fankalazana ny “Olympic Day”. Atleta 60 no nahazo mari-pankasitrahana taorian’ny fiatrehana ity seminera nomen’ny kaomisionin’ny atleta CNO Madagasikara ity. Nanan-karena fifanakalozana sy fifampizarana fahalalana ny seminera. Nisy ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo olympianina amin’ny maha atleta matihanina […]
Auteur/autrice : Adnews
Baolina kitra, sokajy vehivavy-JO 2028 : Hifandona amin’i Soudan, anio, ny Barea Ladies
Hifantoka atsy Soudan Atsimo indray ny sain’ny besinimaro, indrindra ny mpankafy baolina kitra, vehivavy, amin’ity faran’ny herinandro ity. Hifampitana amin-dry zareo mpampiantrano ny Barea Ladies Madagasikara. Hiady ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2028). Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Juba National Stadium, ao Soudan Atsimo, ny lalao voalohany amin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Hotanterahina ny talata 10 jona ny fanaovan-tsonia ny «Accord de partenariat économique». Fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Vondrona eoropeanina sy ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara, Kaomoro, Maorisy ary Seychelles. Tanjona ny hanamafy orina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta sy hampandrosoana ny toekaren’ireo Nosy aty amin’ny faritra. Mitentina […]
Ady amin’ny kolikoly : Mifanome tanana ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina
Vita sonia ny alakamisy teo, teny Ivato, ny fifanaraham-piaraha-miasa stratejika eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fiarahamonim-pirenena, niarahan’ny governemanta sy ny Transparency International. Tanjona ny hiadiana amin’ny kolikoly, hanamafisana ny fitantanana mangarahara eo amin’ny sehatra tsy miankina. “Miantoka ny fisarihana fampiasam-bola sy manatsara ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ny […]
Fifanakalozam-bola : Tonga eto amintsika ny PayPal
Hita aty Afrika ny tolotra PayPal USD, fomba hifanakalozam-bola (Crypto) eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mahatratra 70 ny tsena efa ahitana azy maneran-tany, amin’ny alalan’ny fampiasana ny sandam-bola dolara. Nambaran’ny tale jeneraly ny PayPal ho an’ny Moyen Orient sy Afrika, Otto William, fa « omenay lanja ny olon-tsotra sy ny orinasa aty […]




