Hanamarika ny andro fahenina amin’ny fifaninanam-pirenena taranja rugby “XXL Top 12” ny fifandonan’ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray. Hanala vela ny miaramila amin’ity. Ny fihaonan’ny roa tonta no hamaritra izay ho lohany amin’ny filaharana ankapobeny. Ho toy ny famaranana kely, araka izany, ny lalao. Hitohy etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Nampiasaina nanomboka ny 25 febroary teo, ny baka faharoa any Ifasy (RN6). Antony, efa fantatra isan-taona fa tsy azo ampiasaina ny lalana vahilava rehefa fotoam-pahavaratra toy izao, satria miakatra ny rano ka tsy maharaka ny fampiasana baka iray. Nomarihin’ny minisitry ny Asa vaventy, Razafindrianarivo Henri Jacob, tany an-toerana, fa tsy […]
Tetikasa “FyVary2” sy “VaryAla”: Mitombo ny vokatra, voaaro ny tontolo iainana
Nampahafantarina omaly 26 febroary, tamin’ny fomba ofisialy, ny tetikasa “FyVary2” sy ny “VaryAla”, tohanan’ny Sampandraharaha japoney ho an’ny fampandrosoana (Jica). Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ary ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Minsupres). Miara-miasa amin’ny foibem-pikarohana eto […]
AGOA : Filoha mpiara-mitantana ny komity ny masoivoho malagasy
Voatendry indray ho filoha miara-mitantana ny komity misahana ny “African Growth and Opportunity Act” (Agoa) eo anivon’ny fikambanan’ny masoivoho Afrikanina any Etazonia, ny masoivohon’i Madagasikara ao an-toerana, Rakotomalala Solo Andry Lantosoa, miaraka aminy ny masoivohon’i Kenia. Tapaka izany nandritra ny fivorian’ny vondrona afrikanina natao tao Washington D.C. Adidy goavana miandry […]
Rabetsivoh Claudia : Lany ho filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Fivmpama
Vonona hanohana sy hanandratra avo ny fandraharahan’ny orinasa madinika sy salantsalany ny filohan’ny filankevi-pitantanana vaovaon’ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy, Rabetsivoh Claudia. Lany ho filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) vaovaon’ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) Rabetsivoh Claudia, taorian’ny fivoriambe nataon’ireo mpikambana ny talata teo. Izy, araka izany, no vehivavy mpandraharaha voalohany hitarika ny fikambanana hatramin’izay […]




