Hanamarika ny andro fahenina amin’ny fifaninanam-pirenena taranja rugby “XXL Top 12” ny fifandonan’ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray. Hanala vela ny miaramila amin’ity. Ny fihaonan’ny roa tonta no hamaritra izay ho lohany amin’ny filaharana ankapobeny. Ho toy ny famaranana kely, araka izany, ny lalao.
Hitohy etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny alahady ho avy izao, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Hanana ny lanjany lehibe ity andro fahenina ity satria hamaritra izay ho lohany. Hiady izany toerana izany ny Cosfa (Bebaoty) sy ny FTM Manjakaray (Dakar).
Raha tsiahivina, ekipa samy tsy mbola resy ireto hidona ireto. Tao anatin’ny lalao dimy vitany, samy nahazo fandresena avokoa ny roa tonta. Mitarika anefa ny Bebaoty ary faharoa ry zareo Manjakaray. Ekipa efa diso mifankahalala tsara ny andaniny sy ny ankilany. Raha ny fihaonana farany anefa, hanala vela ny miaramila amin’ity. Klioba roa sangany eto Madagasikara izy ireto ary samy manana ny fahaiza-manaony sy ny kalitaony. Matanjaka ao anaty “avant” ny Bebaoty, tarihin’i Maxime. Kinga sy mailaka kosa ny Dakar ao amin’ny filalaovana amin’ny “trois quart”. Heverina, araka izany, fa izay ratsy fiomanana no ho resy amin’ity.
Mialoha io, hifanandrina ny 3FB (Fahasalamana) sy ny CEA Andranomanalina. Raha ara-taratasy aloha, manantombo betsaka ny ekipan’Andrano, misy ireo kalaza toa an’i Jean-Yves, Romeo, Laou, Julio ary i Mika. Laharana fahatelo no misy azy ireo. Ny 3FB indray fahavalo ary fandresena iray ihany no azony. Hiezaka hanohitra an-dry zareo CEA, araka izany, ry Rabiby sy i Rija ary i Zobe. Ny STM (Savony) indray hifampitana amin’ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Mifanakaiky ny filaharan’ny roa tonta satria faha-10 Ankasina ary faha-11 ny Savony, izay tsy mbola manana fandresena. Hanokatra ny lalao ny lalaon’ ny D1, vehivavy, hifandonan’ ny UAS Cheminots sy ny FTM Manjakaray.
Tompondaka




