AGOA : Filoha mpiara-mitantana ny komity ny masoivoho malagasy

Voatendry indray ho filoha miara-mitantana ny komity misahana ny “African Growth and Opportunity Act” (Agoa) eo anivon’ny fikambanan’ny masoivoho Afrikanina any Etazonia, ny masoivohon’i Madagasikara ao an-toerana, Rakotomalala Solo Andry Lantosoa, miaraka aminy ny masoivohon’i Kenia. Tapaka izany nandritra ny fivorian’ny vondrona afrikanina natao tao Washington D.C. Adidy goavana miandry ny komity ny fitarihana ny dinika stratejika ho fanavaozana ny Agoa sy ny famaritana ny rafitra ho fampiroboroboana ny varotra sy ny fampiasam-bola aty Afrika sy Etazonia. Tsiahivina fa nohalavaina hatramin’ny 31 desambra 2026 ny fisitrahan’i Madagasikara izany. Tombony ho antsika ny nahavoatendry fanindroany an-dRakotomalala Lantosoa, noho izy manamafy ny fampahafantarana sy ny andraikiny amin’ny fampivoarana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny firenena afrikanina sy amerikanina. Na izany, mbola tadindomin-doza ny sehatra tsy miankina, indrindra ny fanondranana ny lamba any an-toerana, taorian’ny fanapahan-kevitry ny loholona amerikanina. Hiantraika mivantana amin’ny toekarena eto an-toerana ny zava-misy, noho ny sehatry ny lamba mampiasa sy mamelona fianakaviana maro.

Henintsoa

Partager sur: