Auteur/autrice : Adnews

Tsy nahavotr’aina: kilan’ny afo i Jessica kely

Zava-doza ny nanjo azy mianakavy kely ! sady kilan’ny afo, tsy mba afaka nanavotra aina ilay ankizivavavy vao folo taona, izay sembana no hotohoton’ny afo ny fananana rehetra. Nitrangana haintrano mahatsiravina namoizana ain’olona tao amin’ny fokontany Antsirana­m­pasika Toamasina parisela 14/11 «Carreau» faharoa, ny asabotsy tamin’ny 12 ora sy 30 mn […]

Ela nitoratorahana: voatifitry ny zandary i Ndrianary, mpimasy

Nirefodrefotra ny basy, ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ ny 03 ora maraina tao Anjia­mangirana II, distrikan’Antso­hihy. Maty voatifitry ny zandary ao an-toerana i Ndria­nary, mpimasy sady dahalo mpamerin-keloka. Isan’ireo anaran’olon-dratsy atao hazalambo ao amin’ny distrikan’ Antsohihy izy ity. Efa nifampitadiavana tao anatin’ny telo volana sy 21 andro izy ka […]

Dahalo rain-dahiny: rotidrotiky ny bala i Reveto

Rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana i Reveto, dahalo raindahiny mpangalatr’omby tao Antongomavo, fokontany Tsarabanja, kaominina Ankirihitra, ny zoma teo. Lasan’i Reveto sy ireo dahalo namany ny omby tao Mahatsinjo/Valala, kaominina Marie, distrikan’i Kandreho, ny 29 novambra.Niara-nientana tamin’ny fokonolona noho izany ny zandary nanao ny fanarahan-dia sy nikaroka ireo olon-dratsy. Tra-tehaka, […]

Fisafoan’ny zandary: jiolahy nahatrarana fitaovam-piadiana

Namoy ny ainy teny an-dalana hanoro ireo namany, maty voatifitra rehefa nikasa hitsoaka ny jiolahy iray tao amin’ny fokontany Sarilasy, kaominina Ambidirina, distrikan’ i Vondrozo, ny faran’ny herinandro teo. Voasambotra nandritra ny fisafoana amin’ny alina nataon’ny mpitandro filaminana, ny 24 novambra, notanana natao fanadihadiana ity jiolahy ity. Rehefa nosavaina ny […]

Lozam-pifamoivoizana: olona dimy naratra, zazakely valo volana ny iray

Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tamin’ny lalam-pirenena fahafito, tao Amindrasahona, kaominina ambanivohitr’i Talata Am­pano, omaly hariva. Latsaka tao amin’ny tetezan’i Beran­gitsa izy rehefa nihazo an’ny Fiana­rantsoa. Raha ny fantatra, vaky ny kodiarana havanana alohan’ny fiara ka nitarika ny loza. Vokany, olona dimy naratra nahitana zazakely valo volana iray. Efa noentina any hopitaly […]