Auteur/autrice : Adnews

Zanak’Isandra miray hina (Kim) : manentana amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana

Anisany paikady apetraka ho fampandrosoana ny any Isandra  ny fidinana ifotony ataon’ireo mpikambana eo an­ivon’ny fikambanan’ny zanak’ Isandra  miray hina (Kim). An­isan’ny nanaovan’izy ireo izany ireo fokontany maro sy kaominina ato anatin’ny distrika. “Natao izany mba hijerena  ireo olana hiombonan’ ireo vahoaka. Eo koa ny fa­nen­tana ireo vahoaka hiditra ao […]

Tsy fandriampahalemana: mitaky safidy politika sahisahy ny MMM

“Ilaina ny safidy politika sahisahy sy fanapahan-kevitra hentitra raha tena hamaha olana amin’ny tsy fandriampahalemana”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miasa-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Niaiky ny tenany fa eo ny fahasahiranana ara-toekarena tsy ahitam-bahaolana ary anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. Anisan’ny tsy ma­mparisika ny mpandraharaha hampiasa vola sy hamorona asa […]

Nifamaly tamin’ny mpanangom-bokatra: mpandraharaha maty niakatra tosidra

Mpandraharaha fantatra amin’ny anarana “Botoubebe Rosin” ny namoy ny ainy noho ny fiakaran’ny tosidra tampoka nateraky ny fifa­maliana teo aminy sy mpanangom-bokatra, ny alaka­misy 24 novambra teo. Tao­rian’ny fisokafan’ny taom-piotazana letisia, nandray ireo solontenam-panjakana tao amin’ny orinasany izy. Na­nome vola ny mpanangom-bokatra, araka izany, ity mpandraharaha ity. Rehefa tonga ny […]

Misy fahalovana raiki-tampisaka

Maharitra, lalina, mila hahenika ny maro na ny sehatra sy ny ambaratonga rehetra… Izay ny fahalovana mahazo ny firenena sy iainana isan’andro amin’izao? Efa zary tsy mahataitra ny sasany firy intsony, ohatra, izay hoe tsy fandriampahalemana. Na fanafihan-dahalo io, na halatra taolam-paty, na fakana voamaso, na fanolanana… Toy izany koa, […]

Fahoriam-bahoaka: miantso ny mpitondra ny fivondronamben’ny Eveka

Namoaka fehinkevitry ny fivoriana nataony teny Ambatoroka, ny herinandro teo, ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem). Nafonja ary hentitra ny hafatr’izy ireo tamin’izany. Nahitsy ny hafatra. “Ho anareo mpitondra isan’ambaratongany, henoy ny maharary ny vahoaka eo amin’ny sosialy, ekonomika… ary aza manararaotra ny fahantran’izy ireo. Isika vahoaka, hajao ny fananana […]