Auteur/autrice : Adnews

Denise sy Shyn : Hisy seho hanampiana ny vehivavy

Mpanakanton’ny fiarahamonina. Mbola anatin’ny fanampiana ireo traboina, no fantatra koa fa hanohana ireo vehivavy sahirana amin’ny fiatrehana fadimbolana i Denise sy Shyn. Nihaona tamin’ny mpanao gazety i Denise, tetsy Ambodivona. Fantatra nandritra izany fa hisy ny seho lehibe hotontosain’ireto mpanakanto ireto ny 8 marsa izao, etsy amin’ny CCI Ivato. Nampifanandrifiana […]

ONSFM : Zana-kazo 1 000 fototra nambolena

Mandray anjara amin’ny fanatsarana sy ny fiarovana ny tontolo iainana ny Holafitry ny mpampivelona eto Mada­gasikara. Nandrakotra zana-kazo miisa 1 000 fototra teny amin’ny fokontany Ambohibe­ma­soandro, kaominina Talata Volonondro, ireo rasazy ma­nodidinana ny 300, ny faran’ny herinandro teo. «Miainga avy amin’ny fahadiovan’ny tontolo iainana ny fahasalamana, ka rariny raha manatanteraka […]

« Foire Pro’hygiène-cosmétique »: Homena sehatra ny mpanao asa tanana

Hotanterahina ny 30 avrily sy ny 1 ary 2 mey izao, eny amin’ny Kianjan’i Mahamasina, ny hetsika «Foire Pro’hygiène-cosmétique». Misahana manontolo ny fikarakarana ny ZRK Event. Fotoana io hanomezana sehatra ireo orinasa sy mpanao asa tanana. Tafiditra ao anatin’izany ny mpisehatra rehetra eo amin’ny «Propreté, hygiène, nettoyage, cosmétique, bien-être…». «Fotoana […]

Tsy fanjarian-tsakafo: Nojerena ny fiantraikan’ny tohana, any Androy sy Anosy

558 000 ny isan’ny zaza ahina iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo, hatramin’ny volana avrily ho avy izao, ka ny 155 000 amin’ireo ao anaty tranga mahery vaika. Manohana ny asa fandraisana an-tanana i Frantsa. Nitsidika ny faritra An­droy sy Anosy, ny herinandro lasa teo, ny masoivohon’i Frantsa miasa eto Madagasikara, […]

SOMBIM-BAOVAO

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja judo. Laharana voalohany ny klioban’ny Esca, izay nandrombaka medaly volamena 24, volafotsy 15 ary alimo 17. Laharana faharoa ny klioban’ny ASSM, izay nahazo medaly volamena 12, volafotsy 10 ary alimo 6. Hotontosaina ny 26, 27, 28 […]