Auteur/autrice : Adnews

Angovo avy amin’ny masoandro : Hamokatra 15 MWc ny toby ao Moramanga

Nijery ifotony ny fizotry ny fananganana ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro ao Moramanga, ny vondrona Filatex niaraka tamin’ny iraky ny Primatiora, ny ao amin’ny minisiteran’ny Angovo ary ny Jirama. Teo koa ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Eo am-pamaranana, ankehitriny, ny asa mamokatra herinaratra manana tanjaka 15 MWc, hanamafy […]

Fiaraha-miasa : Mpiara-miombon’antoka voalohany amin’i Madagasikara i Frantsa

Mbola i Frantsa no mpiara-miombon’antoka ara-toekarena voalohany ho an’i Madagasikara. Maherin’ny 55 ny orinasa frantsay eto amintsika, manome asa 20 000 mahery. Sehatra telo lehibe no tena mampisongadina ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. I Frantsa no mpanjifa voalohany ara-toekarena sy ara-barotra ataon’i Madagasikara, mpamatsy entana fahatelo ary mpampiasa vola vahiny fahefatra […]

FANTINA sy FINTINA

Namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy, rehefa niakatra fampanoavana tetsy amin’ny Pac 67 Ha, ny herinandro teo. Vesatra anenjehina azy ny momba ny tsy fanarahan-dalàna ho an’ny fanondranana letisia ny taona 2019-2020. Voasaringotra amin’izany koa ny mpiasan’ny minisitera niray tendro taminy. Vita ny herinandro teo, tetsy Ambohidahy, ny […]

Filoha Randrianirina Michaël : « Tsy mifandray ny dia tany Rosia sy Frantsa »

Nanainga omaly, nihazo an’ i Paris, Frantsa, ny filoham-pan­jakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Nambarany teo am-piaingana, teny Ivato, fa fitsidihana arakasa izao ataon’ny delegasionina any amin’ity firenena ity, rahampitso. «Tsy misy ifandraisany velively tamin’ny dia natao tany Rosia izao fitsidihana any Frantsa izao. Samy nanasa antsika ireo firenena roa ireo […]

« Ndao hanova » : Tsy ekena ny kandidà tsy miankina amin’ny fifidianana

Niady hevitra tetsy Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ireo avy amin’ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena ary koa ireo tanora sy mpikaroka. Voaresaka ny fanavaozana ny fanaovana politika « Ndao hanova ». Nivoitra tamin’izany fa ilaina ny fanarahan-dalàna sy fitsipika mifehy. Voa­resaka koa ny hanafoanana ny tsy miankina. « Manimba ny fa­naovana politika […]