Auteur/autrice : Adnews

Taekwondo ITF- “Coupe de Mada” : Natao hifantenana ny ekipa nasionaly

Hotanterahina ny volana oktobra ho avy izao, any Croatie, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja Taekwondo ITF (TKD ITF). Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Araka ny vaovao voaray, omaly, teo anivon’ny Kaomisionina malagasin’ny TKD ITF, hisy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, hatao mialoha ity fifaninanana ity, […]

Tapaka ny sandriny: Vehivavy voavelin’ny bois rond misy fantsika

Miverina indray ny bois rond misy fantsika! Ny faran’ny herinandro teo, efa nisy trangana vonoan’olona roa tao amin’ny fokontany Andranomadio sy Mangarano. Ny alin’ny alahady teo ihany, tao amin’ny fo­kontany Tsararivotra ambadiky ny kianja manara-penitra Sta­dium, renim-pianakaviana iray indray naratra mafy voadaroka tamin’ny bois rond misy fantsika. Tom­banan’ny maro fa […]

INDRAY MIJERY

Betsaka ny mpiasa manatona ny toeram-pitsaboana misahana manokana ny fahasalamany amin’izao fotoana izao. Ny aretin’ny taovam-pisefoana no matetika ahitana olana, hoy ny mpitsabo. Miovaova be ny maripana sy ny toetry ny andro. Ny fahalotoan’ny rivotra fohina koa manampy trotraka, indrindra rehefa tsy mirotsaka ao anatin’ny andro maromaro ny orana. Misokatra […]

Fiahiana ny mpiara-belona : Nanampy ireo zokiolona ny ONG 2AH

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pikatrohana ny eo anivon’ny fikambanana tsy miankina, ONG Andry antoky ny hoavy (2AH), ny faran’ny herinandro teo. No­santarina tamin’ny alalan’ny fizarana kojakoja ilaina ho amin’ny fiainana andavanandro (PPN) ho an’ireo zokiolona sy mpiray finoana izany, teny Masindray, Avaradrano. Notanterahina tamin’izany koa ny fitsofandrano azy ireo […]

Fifaninanana WorldSkills: Nampisongadina ny talentan’ny mpianatra

Ao anatin’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy La Réunion, notanterahina ny 17 janoary lasa teo, tao amin’ny Lycée technique professionnel du génie civil Mahamasina, ny fifaninanana « WorldSkills ». Ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa no mandrisika sy manohana tanteraka ny hetsika, izay tanterahina miaraka amin’ny Direction de l’apprentissage de la formation […]