Auteur/autrice : Adnews

« Live Stage », andiany fahatelo : Rija Ramanantoanina sy ny Bandy Baraka Big Bang

Mpiangaly mozika 25, miampy ny mpihira. Azo tanterahina tsara na anaty efitrano aza izany. Fanamby fahatelon’ny andian-tseho « Live Stage » ity. Izay efa nahita dia afaka mi­joro vavolombelona. Seho tena mampitsangambolo ireo tena mpankafy mozika ny fiarahana amina Big Band. Iray tamin’ireny ny efa notontosain’i Rija Ramanan­toanina sy ny Bandy Baraka […]

VAOVAO TAMBATRA

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny biby eto Madagasikara ireo lalantsara mampitohy ny ala. Ahafahan’izy ireo mifindra, mitady sakafo ary miteraka izany. Anisan’izany ny Comatsa any avaratra sy Amoron’i Onilahy, any Atsimo-Andrefana. Dinihina mandritra ny Cop17-UNCCD, any Mongolia ihany koa, ny fanarenana ny tany sy ny fiarovana ireo toeram-ponenana […]

Fanamboaran-dalana : Nohamafisina ny fiaraha-miasa amin’ i Egypte

Anisan’ny miara-miasa amin’i Madagasikara, amin’ny lafiny fanamboarana fotodrafitrasa i Egypte. Hita izany amin’ny fanamboarana ny lalana «Voie rapide», mampitohy an’Antananarivo sy Toama­sina, ataon’ny orinasa Sam­crete. Ho fanamafisana izany, natao Sonia, ny 25 aogositra teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) sy ny kaompania Egaad (Egyptian African Arab […]

« Fahitanavao » : Tetikasa 16 ho tohanana hitondra vahaolana

Nisongadina tamin’ireo 35 nifaninana ireo tetikasa 16 mendrika sy voafantina nandritra ny fifaninanana nasionaly momba ny fahitanavao. Fifaninanana niompana tamin’ny sehatry ny an­govo, ny fanodinana sy fanamboarana vokatra avy amin’ny fambolena sy fiompiana ary ny fanodinana vokatra eto an-toerana ity natao ity. Miavaka sy mitondra vahaolana mifandray amin’ny filan’ny Malagasy […]