Auteur/autrice : Adnews

Tetikasa andrana SPG: Miisa 247 ny mpamokatra mampihatra ny famokarana biolojika

Fito volana izao no efa nivoaka ny didim-panjakana fampiharana ny famokarana biolojika. Mandeha ny tetikasa andrana, fampiharana azy, manaraka ny fenitra nasionaly sy iraisam-pirenena. Natao teto Antananarivo, omaly, ny atrikasa nitaterana ny vokatry ny tetikasa andrana, mahakasika ny fampiharana ny Rafitra ifampifehezana sy antoka ho an’ny famokarana biolojika (SPG Bio). […]

FANTINA sy FINTINA

Hitohy anio amin’ny fametrahana fehezam-boninkazo eo amin’ny tsangambaton’ny filoha, Tsiranana Philibert, ny fanamarihana ny 14 oktobra any Antsohihy, faritra Sofia. Arahin’ny kabarin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, izany avy eo. Hisy koa ny fitsidihana ny trano fonenan’ny Rain’ny fahaleovantena ary hofaranana amin’ny matso. Hentitra ny antoko Repoblikanina nasionalista. Mivaona amin’ny […]

Antenimierampirenena: Mitaky ny hananany depiote ireo Diaspora

Mbola nanamafy ny fangatahany ny zanaka am-pielezana milaravinahitra any ivelany (Diaspora). Nametraka fitakiana maromaro izy ireo amin’izao fanavaozana izao. Ani­san’ny efa notakian’izy ireo teo aloha ny ahafahany mifidy amin’ireo fifidianana hatao aty Madagasikara. Tsy voatery ho tonga aty vao afaka hifidy, raha ny nambaran’ny solontenan’izy ireo, “Association observatoire de la […]

Fotoanan’ny fifohazana

Mandeha indray ny fety aman-danonana, ho fankalazana ny fetin’ny Repoblika. Manan-tantara misimisy koa izany amin’ity indray mitoraka ity. Sambany rahateo no natao fanamarihana miezinezina. Mifanandrify amin’ny tsingerin-taona nandraisan-dry zalahy miaramila ny fitondrana rahateo ny fotoana. Roa sosona ny fankalazana. Efa nivolonandro fety tao an-drenivohitry ny Faritra Sofia nanomboka tamin’ny alahady. […]

Filohan’ny Fanavaozana : “Olana sosialy no vahana fa tsy olana politika”

Tsy hisy ny dinika politika, hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly, tany Antsohihy. « Olana sosialy no sedrain’ny Malagasy », hoy izy. Natomboka omaly, tao an-drenivohitry ny faritra Sofia, ny fankazalana ny faha-68 taona nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasi­kara. “Fotoana manan-tantara amin’ ny firenena izao, ary olana sosialy no vahana fa […]