Filohan’ny Fanavaozana : “Olana sosialy no vahana fa tsy olana politika”

Tsy hisy ny dinika politika, hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly, tany Antsohihy. « Olana sosialy no sedrain’ny Malagasy », hoy izy.

Natomboka omaly, tao an-drenivohitry ny faritra Sofia, ny fankazalana ny faha-68 taona nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasi­kara. “Fotoana manan-tantara amin’ ny firenena izao, ary olana sosialy no vahana fa tsy olana politika”, hoy ny filohan’ny Fa­navaozana ny Re­poblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny lanonam-panokafana.
Nisantarana izany ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihin’ny FFKM tao amin’ny Ekar Md Paul Ambalabe. “Fahafahana: Fanavaozana ho an’ny tena Fahaleovantena sy fandrosoana” no lohahevitry ny fankalazana. Nambaran’ny filoha, nadritra izany, fa mila mahaleo tena isika, mila miaina amin’ny volantsika sy ny ha­rentsika isika. Ilaina ny fahaleovantena ara-toekarena mba tsy hiankinan’i Madaga­sikara amin’ny fanampiana avy any ivelany, fa hahazoany mivelona amin’ny harena sy ny loharanon-karenany manokana.

Manaraka lalàna

“Manaraka lalàna ny tena kristianina, fa izany no lalàna”, hoy ihany izy. Ilaina ny fahatongavan-tsaina amin’ny toe-tsaina tia kolikoly, nefa ny ankamaroan’ny Malagasy mi­petraka anaty fotaka sy rano maloto. Ankoatra izany, nankahery ny FFKM amin’ny fa­nomanana sy fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena izy. Misy te hanakorontana izany, misy mitady hanao fanambarana, raha ny nambarany. Nambarany fa vonona hanohana sy hanampy tosika amin’ ny vola amin’ny asa sahaniny. Maro ny fitokanana fotodrafitrasa natao, omaly. Nisy ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny lavadrano sy ny trano fidiovana vaovao ho an’ny mponina any an-toerana. Nifarana tamin’ny famorian’olona tao amin’ny kianja manara-penitra izany, halina.

R. Nd.

Partager sur: